• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Le Parisien
Image
Asa & Fianarana

Ankizy hanala fanadinana : Tena ilaina ve ny manao cours ?

05/04/2023 17:07 © Moov.Mg

Rehefa manakaiky ny fanadinana ara-panjakana dia miroboro ireo toerana mampanao cours ny mpanala fanadinana. Misy sarany moa izy ireny ary rehefa fotoana tsy fianarana toy ny alarobia hariva sy asabotsy no hanaovana azy. Tena ilain’ireo ankizy hanala fanadinana ve ny fanaovana cours ? Andeha ary ho jerena ireo lafy tsara sy lafy ratsin’izany.

Ireo lafy tsaran’ny fanaovana cours hoan’ireo ankizy “classe d’examen”

Tsikaritra tato ho ato fa mihamihemotra ny fari-pahaizan’ny ankizy. Variana amin’ny finday sy ny aterneto na ny zaza na ny tanora ankehitriny. Mihena ny fifantohana any am-pianarana ka manjary sarotra koko ny miatrika fanadinana. Ny ray aman-dreny etsy andaniny vizaky ny fitadiavana ka tsy mahavita manara-maso ny fianaran’ny zanany. Fantatra anefa fa tsy mora ny manala fanadinana, indrindra ireo fanadinana ara-panjakana.
Ny fanaovana cours dia manampy ireo ankizy hamerina sy hanamafy ireo lesona natao nandritry ny taona. Raha tsy naharaka izy ireo nandritra ny taom-pianarana dia fomba iray hanenjehana izany ny cours. Matetika moa dia mpampianatra efa matianina no mampanao azy ireny. Manana traikefa amin’ny fampianarana sy ny famerenana ny laza adina fahita amin’ny fanadinana izy ireny. Mora mifantoka sy mandray fampianarana ihany koa ny ankizy hanala fanadinana rehefa manakaiky ny fotoana ny fanadinana. Isan’ny antony iray lehibe ilaina ny fanaovana cours izany.

Ireo lafy ratsy tsy mampety ny fanaovana cours ho an’ireo ankizy mpanala fanadinana

Maro ireo ray aman-dreny no mahita fa tsy ilaina ary misy lafy ratsy ho an’ireo ankizy hanala fanadinana ny fanaovana cours. Ny voalohany amin’izany dia lasa tsy miezaka sy tsy mifantoka ireo farany mandritra ny taom-pianarana. Miandry sy miantehitra amin’ny cours atao rehefa akaiky fanadinana izy ireo. Raha ankizy tokony hianatra mafy izany mandritra ny taona dia lasa kamokamo sy manao antsirambina ny fianarana any an-tsekoly.
Etsy andaniny dia fandaniana mivesatra amin’ny toe-bola ao an-tokantrano ny cours. Ankoatra ny saram-pianarana any am-pianarana dia voatery mamorona vola hafa ny ray aman-dreny andoavana ny saran’ny fanaovana cours. Ary farany, tsy azo antoka zato isan-jato hoe afaka fanadinana ireo ankizy manao cours. Indraindray mety ho sendra ny mpampanao cours mpisandoka ka lany vola fotsiny ireo ray aman-dreny.
Ho fehiny, raha mbola vitantsika ray aman-dreny ny mifehy sy manara-maso ny fianaran’ny ankizy hanala fanadinana dia tsy voatery ilaina ny mampanao cours azy.

Lire la suite

Articles Similaires