• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Egm-Conservatoire Et Faculté De Musique-Madagascar
Image
Asa & Fianarana

Fialan-tsasatra : ireo fialamboly sahaza ny ankizy

28/03/2023 15:28 © Moov.Mg

Anisan’ny manahirana antsika ray aman-dreny ny mitady fialamboly ampanaovina ny zanantsika rehefa tonga ny fialan-tsasatra. Tsy azo avela eo am-pototry ny fahitalavitra sy ny finday ela loatra ny ankizy rehefa tsy mianatra noho izy ireny mety hanimba ny maso. Ireto manaraka ireto ary misy fialamboly afaka ampanaovina ny ankizy amin’ny fotoanan’ny fialan-tsasatra.

Fialamboly hoan’ny ankizy : mianatra mitendry zava-maneno

Fialamboly mahaliana sy mampivelatra ny sain’ny ankizy tokoa ny fianarana zava-maneno. Mora ny mandrisika ny ankizy anao izany rehefa fotoanan’ny fialan-tsasatra. Efa maromaro ireo toeram-pianarana zava-maneno misy eto amintsika ary mampianatra ankizy sy tanora. Alohan’ny hanombohany dia tsara raha anontaniana azy ny zava-maneno tiany hianarana. Ezahana mba ho raisiny ho fialamboly fa tsy fianarana be loatra ny fianarana mitendry zava-maneno mba tsy hahatofoka azy. Raha manana fahefa-mividy dia tsara kokoa raha mividy ilay zava-maneno hianarany mba ahazoany mizatra sy mitendry ao an-trano.

Manao lakozia, fialamboly tian’ny ankizy

Maro ankizy tia mikarakara sakafo ao an-trano. Fahafinaretana ho azy ireo ny fandraisana anjara amin’ny fanaovana lakozia, eny na mbola tsy mahay aza izy ireo. Azo atao fialamboly mandritra ny fialan-tsasatra tsara izany. Manampy an’i neny mamoafy sy mitetika legioma, manamboatra mofomamy… Tandremana tsara kosa mba ho zavatra mora atao sy tsy mahavizana no ampanaovina ny ankizy. Tsy adinoina ihany koa ny mandoka azy rehefa mahavita ny anjarany izy. Hazoto tokoa ny ankizy hanampy ao an-dakozia ary mety hahay sy ho tia mahandro sakafo izy rehefa zatra.

Mamerina ireo fialamboly sy kilalao fahiny

Maro tokoa ireo kilalao fanaon’ny ankizy malagasy talohan’ny firoboroboan’ny teknolojia. Nilalao sy nifaly avanja teny ankalamanjana ny ankizy ary ny masoandro mody no nampalahelo. Mba tsy ho variana loatra amin’ny finday sy ny fahitalavitra ny ankizy dia tsara raha atoro azy ireo fialamboly sy kilalao natao fahiny. Anisan’izany ohatra ny sabaka, ny vitsilia, ny fanorona, ny tso-bato, ny dim-bazaha, ny katro sy ireo maro tsy voatanisa. Fialamboly mamparanin-tsaina sy mampihetsika vatana ny ankamaroan’izy ireny. Anjarantsika ray aman-dreny no manoro sy mampianatra azy ireny an’ireo zanantsika. Ho velona indray ireo kilalao fahiny ary hisitraka ireo tombotsoa entin’izy ireny ny ankizy ankehitriny !

Lire la suite

Articles Similaires