• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © French_Morning_London
Image
Asa & Fianarana

Mitady kandra : Torohevitra ho an'ireo tanora mitady asa eto Madagasikara

05/01/2023 07:32 © Moov.Mg

Marobe ireo tanora tsy an'asa eto Madagasikara. Ny tena mampalahelo, misy ireo nahavita fianarana ambony no lasa mitaingin-tamboho. Ireto ary misy torohevitra vitsivitsy mety hanampy amin'ny fitadiavana asa.

Manaova fizaran'asa (Stage)

Ny ankamaroan'ny mpianatra nahazo mari-pahaizana amin'ny fianarana ambony dia tokony efa nahavita fizaran'asa avokoa. Maro nefa no tsy nandalo izany. Mba anoratana traik'efa arak'asa anaty CV, dia tsara raha mandalo fizaran'asa mikasika ny fianarana natao, na dia telo volana monja aza. Raha mahafa-po ny mpampiasa ny ezaka ataonao, mety ahazo asa raikitra avy hatrany ianao.
Tsarovy fa ny fizaran'asa no lalana voalohany idiranao amin'ny sehatry ny asa. Izany no ahafantaranao ireo asa mifandraika amin'ny mari-pahaizana anananao sy ny fiainan'ireo olona miasa. Hizatra hanenjika ora ianao, sady hikajy ny fotoananao amin'ny asa tsirairay tokony iandraiketanao.

Mamalia antso mifanaraka amin'ny fahaizanao

Na dia sarotra aza ny mitady asa, fadio ny mamaly tolotra tsy mifandraika amin'ny fianarana norantovinao. Raha misy orinasa mitady mpahay lalàna, tsy ho voaray ianao raha nanaraka fiofanana mikasika ny serasera. Mitadiava tolotr'asa izay mitaky fepetra mety ho voavalinao. Raha nianatra mikasika ny fitantana (gestion) ianao ohatra, azonao atao tsara ny mametraka antotan-taratasy (dossiers) hahatonga anao ho tompon'andraikitra ara-barotra, mpiandraikitra mpanjifa, mpitam-bola, sns.

Manaraha ireo tambazotra sy gazety misy tolotr'asa

Tsy voatery hitety orinasa maro ianao vao hahita asa. Azonao atao tsara ny manaraka ireo gazety mpiseho isan'andro na isan-kerinandro. Noho ny fandrosoan'ny teknolojia, araraoty ny aterineto anarahanao ireo tolotr'asa mety hahaliana anao. Tsidiho ny portaljob-madagascar.com mba hamalianao eo ho no ho eo ireo tolotra mifandraika amin'ny diplaoma sy ny traik'efanao.

Manana talenta manokana ? Manangàna orinasa

Tsy voatery manana vola be akory vao mahatsangana orinasa kely. Trandraho ny talentanao mba hivelaranao bebe kokoa sady ahazoanao vola. Raha havanana amin'ny asa tanana mikasika ny vy ianao ohatra, azonao atao tsara ny mandresy lahatra ireo olona manao trano mba handraisanao komandy lavarangana, varavarana, varavarankely sy haingon-trano na haingon-jaridaina isan-karazany. Amin'ny voalohany ianao no manofa "soudure" amitanao ireo asa rehetra.
Rehefa mitombo tsikelikely ny volanao, azonao atao amin'izay ny mividy fitaovana sy manakarama olona hanampy anao. Mila fotoana sy herin-tsaina mba hivoatra hatrany ny asa.

Lire la suite

Articles Similaires