• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Nord Littoral
Image
Madagasikara

Olona nahazo taona : oviana no tsy tokony hitondra fiara intsony ?

13/12/2024 14:39 © Moov.Mg

Maro ireo olona mihoatra ny 65 taona eto amintsika no manana sy mbola mitondra fiarakodia. Ho an’ireo efa zatra nitondra fiara nandritra ny taona maro dia mety hanano sarotra ny hijanona tsy hitondra intsony. Marihana nefa fa ilaina fifantohana, fahamalinana sy fizakan-tena tanteraka ny familiana fiara mba hisorohana ny loza ho an’ny tena sy ny hafa. Oviana ary no tsy tokony hitondra fiara intsony ny olona nahazo taona ?

Tsy misy fe-taona manokana ny fahafahan’ny beantitra mitondra fiarakodia

Tsy mbola misy hatreto ny fe-taona hahafahana mitondra fiarakodia eo amin’ny olona efa nahazo taona na ny beantitra. Rehefa nahazo taratasy fahazoan-dalana hamily ny olona iray dia afaka mitazona izany mandrakizay raha tsy nanao fandikan-dalàna.
Any amin’ny firenena eoropeanina sasany dia tsy maintsy manao fizahana ara-pahasalamana ireo 70 taona no mihaotra izay mbola maniry hamily fiara. Izany dia mba ahafahana mahita raha mbola mavita mitondra fiara tsara izy ireo na tsia.

Mila fahamailoana ny familiana rehefa nahazo taona

Ankoatra ny fahaizana mamily dia maro ireo zavatra takiana amin’ny mpitondra fiara. Anisan’izany ny fahaizana ny fifantohana, ny fahamalinanana, ny fahaizana ny Lalànan'ny fifamoivoizana… Mitombo kokoa ny filàna sy ny fitakiana ireo lafin-javatra samihafa ireo eo amin’ireo olona efa nahazo taona mbola mamily fiara. Rehefa mihalehibe tokoa mantsy dia mety mitombo ny « risques » hahatonga ny lozam-pifamoivoizana noho ireo fiovana ara-batana vokatry ny fahanterana.
Anisan’izany ohatra ny fihenan’ny fahitana, tsy fahazakana ny hazavana be loatra, ny fihenan’ny fahenoana feo, fihenan’ny « reflexes » sy ny fifantohana, fahasarotana amin’ny fanatanterahana « mouvements » sasany… Ireo fiovana ara-batana ireo dia manova miandalana ny fahavitana mitondra fiarakodia.

Ireo famantarana fa tokony tsy hitondra fiara intsony ny beantitra iray

Tokony hijanona tsy hitondra fiara intsony ny olona nahazo taona raha toa ka mahatsikaritra ireto famantarana manaraka ireto :
-Tsy mahita tsara eny an-dàlana na efa manao solomaso aza ;
-Matetika diso làlana rehefa misy fiviliana na sampanan-dàlana tokony haleha ;
-Verivery rehefa mandeha amin’ny lalana mahazatra ;
-Mitaintaina isaky ny mieritreritra ny hitondra fiara ;
-Matetika « saika » nitarika lozam-pifamoivoizana ;
-Tsy mahatadidy na mandika ny Lalànan'ny fifamoivoizana.

Lire la suite

Articles Similaires