Fahanteran’ny hodi-doha : mety mitranga alohan’ny fahateran’ny hodi-tava
Vitsy amintsika no mahafantatra fa mety ho mora antitra noho ny hodi-tava ny hodi-doha. Misy fiantraikany eo amin’ny kalitaon’ny volo nefa ny fahanteran’ny hodi-doha aloha loatra. Ao amin’izy io tokoa mantsy no misy ireo lalandrà madinika manome sakafo ny foto-bolo.
Ireo antony mety mandrisika ny fahanteran’ny hodi-doha aloha loatra
Mora antitra kokoa noho ny hodi-tava sy ny hoditry ny vatana ny hodi-doha. Mety hitranga ihany koa nefa hoe miseho aloha be io fahanteran’ny hodi-doha io. Anisan’ireo antony mety mandrisika izany ny :
-Fikitihana ny hodi-doha. Fahazarana fanaontsika ny mihaotra loha rehefa miady saina na koa rehefa mangidihidy ny loha. Rehefa marary ihany koa ny an-doha dia manana fahazarana manindritsindry ny loha isika. Isan’ny maha mora antitra ny hodi-doha nefa io fikitihana azy matetika io.
-Fampiasana fitaovana mamoaka hafanana eo amin’ny volo. Anisan’izany ny brushing sy ny fer à lisser fampiasa rehefa manao volo. Mety manimba ny hodi-doha ny fampiasana azy ireny matetika ary mandrisika ny fahanterany aloha be.
-Fatotra na randrana mirirotra mafy loatra. Ny fizarana mamatotra volo atao misintona mafy loatra dia mety mampihenjana ny hodi-doha ka mety maha mora antitra ity farany.
-Fampiasana vokatra be akora simika. Ahitana singa simika avokoa ny ankamaroan’ireo vokatra fikarakarana volo vita avy any ivelany fampiasantsika ireny, toy ny shampoings, après-shampoings, masques, lokom-bolo… Misy amin’ireny singa simika ireny nefa no mahamaina sy mahatonga « irritation » ny hodi-doha ka lasa maha mora antitra azy io.
-Fifohana sigara. Ny nicotine sy ireo singa simika samihafa ao anaty sigara dia mety mampihena ny tosiky ny rà mankany amin’ny hodi-doha. Izany dia mety mampidina ny habetsaky ny oxygènes sy ireo otrikaina ilain’ny hodi-doha sy ny volo.
Ahoana ny atao hisorohana ny fahanteran’ny hodi-doha aloha loatra ?
Zavatra voajanahary tsy azo sakanana ny fahanteran’ny hodi-doha. Misy kosa nefa ireo fihetsika azo atao mba tsy hiarovana ny hodi-doha tsy ho antitra aloha loatra :
-Horina moramora in-3 na in-4 isan-kerinandro ny hodi-doha mba hampikorina tsara ny rà ao aminy sy hitazomana ny hoditra ho « souple » ela kokoa ;
-Rehefa manasa loha dia tsy atao mafana loatra ny rano ampiasaina. Horina moramora ihany koa ny hodi-doha fa tsy kosehana mafy be rehefa hanala ny loto aminy. Izany dia mba tsy hampiala tanteraka ny « sébum » izay miaro ny volo sy ny hodi-doha tsy ho makiana ;
-Rehefa avy manasa loha dia « serviette microfibre » no ampiasaina hanamainana ny volo. Mitroka ny hamandoana izy io ka tsy mila fafana mafy ny volo. Raha azo atao dia avela ho maina amin’izao ny volo fa tsy mampiasa fitaovana mamoaka hafanana. Raha tsy maintsy hanao volo dia tsy atao mamay be ny hafanan’ny brushing ary tsy atao manakaiky be fa avela hisy elanelana 15sm.