• Cours de change
  • 5021.37 AR
  • |
  • $4443.27 AR
Copyright Image : © Le Blog De Nature & Découvertes
Image
Fahalalana Ankapobeny

Fandokoana lamba amin’ny akora natoraly

19/02/2025 16:45 © Moov.Mg

Fomba iray hanavaozana ny akanjo mbola tsara nefa lasa vasoka ny fandoakana azy amin’ny akora natoraly. Manome endrika sy loko miavaka azy ireo ihany koa moa ny fanaovana izany. Araho eto ary ireo dingana sy torohevitra raha handoko ny lamba amin’ny akora natoraly.

Homanina ny lamba

Alohan’ny hirosoana amin’ny fandokoana ny akanjo na lamba lasa vasoka amin’ny akora natoraly dia mila homanina tsara aloha ireto farany.
-Safidiana tsara ny lamba ho lokoina. Ny karazana lamba coton, lin, laine sy soie no tena mandray ny loko natoraly. Tsy andairan’ireto farany kosa ny lamba synthétiques.
-Atao madio ny lamba. Mila sasana tsara ny lamba na ny akanjo ho lokoina amin’ny akora natoraly vao miroso amin’izany.

Safidiana ny zavamaniry hampiasaina amin’ny fandokoana

Zavamaniry no akora natoraly ampiasaina handokoana ny lamba. Miankina amin’ny loko tadiavina moa no zavamaniry safidiana. Anisan’ireo fampiasa hahazoana :
-Loko mena : betterave ;
-Loko mavo : tamotamo, tongolo ;
-Loko manga : myrtille, indigo ;
-Loko maitso : épinard, ortie ;
-Loko maramara : dite, kafe.
Marihana fa samy manana loko manokana ny zavamaniry tsirairay. Azo atao ihany koa ny manandrana manafangaro azy ireo raha maniry hahazo loko samihafa.

Alaina ny lokon’ny zavamaniry

Mazava ho azy fa mila alaina amin’ireo zavamaniry ny lokony mba ahafahana mahazo ny loko natoraly handokoana ny lamba. Maro ireo karazana fomba afaka hanatanterahana izany :
-Atsoboka anaty rano mafana mandritra ny adiny 1 ora fara fahakeliny ny ravina na ny voninkazo hangalana ny lokony ;
-Tenehina mandritra ny ora 1 ny faka, ny hodi-kazo na ny vaonin’ny zavamaniry hampiasaina hahazoana ny lokony ;
-Ny karazana zavamaniry toy ny indigo dia mila totoina sy avela hilona mandritra ny alina tontolo mba hamoaka ny loko tadiavina aminy.

Ny fandokoana ny lamba

Misy dingana maro arahana amin’ny fandokoana ny lamba amin’ny akora natoraly :
-Manamboatra « bain de teinture ». Izany hoe tatavanina ilay loko natoraly azo tamin’ny zavamaniry avy eo tapohana rano kely ;
-Atsoboka ao anatin’ilay « bain de teinture » ny lamba mando mba hahazo ilay loko natoraly ;
-Afanaina ambony afo malefaka mandritra ny ora 1 sady somary aroharoana kely matetika ilay « bain de teinture » ;
-Bataina teo ambony afo ary avela hangatsiaka mandritra ny ora maro na mandritra ny tontolo alina ;
-Esorina ilay lamba nolokoina avy eo kobanina tsara mandrapaha tsy misy loko manaraka intsony amin’ny rano nanakobanana ;
-Atsoboka ao anaty rano mangatsiaka nasiana vinaigitra fotsy kely mandritra ny 30 minitra ilay lamba mba tsy hampaharitra ilay loka natoraly nandokoana azy.

Lire la suite

Articles Similaires