• Cours de change
  • 5021.37 AR
  • |
  • $4443.27 AR
Copyright Image : © Cardjibouti
Image
Fahalalana Ankapobeny

Ireo fambara ahafantarana fa efa mila fikojakojana ny fiara

18/02/2025 10:56 © Moov.Mg

Antoka iray lehibe hisorohana ny lozam-pifamoivoizana ny fikojakojana ny fiara. Isan’ireo mety mitera-doza tokoa mantsy ny olana ara-mekanika. Efa misy moa ireo « voyant de rappel » izay mampitandrina ireo mety olana amin’ny fiara. Misy ihany koa nefa ireo fambara hafa ahafahana mamantatra fa efa mila fikojakojana ny fiara.

Misy « liquide » mitete amin’ny fiara

Maro ireo karazana « liquides » ao anatin’ny fiara mampandeha azy. Anisan’izany ny « huile moteur », « liquide de refroidissement » sy ireo maro hafa mikoriana anaty « systèmes » mikatona tsara. Mila atao ampy tsara hatrany ny fatran’izy ireny ka mandritra ny fikojakojana na « entretien » ny fiara no hanapohana na hanoloana azy ireny. Raha tsikaritra mora ritra tsy araka ny tokony ho izy ny iray amin’ireo « liquide » ireo na koa hoe misy « liquide » mitete amin’ny tany dia midika izay fa manantona mpanamboatra fiara hijerena ny fikojakojana na fanamboarana mila atao.

Misy feo hafahafa

Tsy tokony hamoaka feo hafahafa na manelingelina sofina ny fiara rehefa milamina tsara. Ny fahenoana feo mikorintsana, mipoapoaka, misioka na feo hafa tsy mahazatra dia tokony hahamailo. Mety hoe mandalo na mitsitapitapy ireo feo ireo ka mety tsy hanaitra na hampitaitaina loatra. Marihana nefa fa amin’ny ankapobeny dia manambara tsy fahatomombanana ao amin’ny singa iray na maro ao amin’ny fiara ny fisian’izany feo hafahafa izany. Mba tsy hampihitatra ny fahasimbana ary dia tsara hatrany ny manantona mpanamboatra fiara hamantarana ny fikojakojana mila tanterahana.

Miha kely hery ny fiara

Maro ireo zavatra mety hanelingelina na hampihena ny tanjaky ny maoteran’ny fiara ka mahatonga azy lasa kely hery rehefa entina. Mety anisan’izany ny olana eo amin’ny « bougie », ny « capteur »…, ny fahatsentsemana ao amin’ny fantsona, fahasimbana ny singa iray lehibe ao amin’ny maotera… Rehefa misy tsy fahatomombanana ny maotera dia lasa tsy mandeha tsara araka ny tokony ho izy sy mahazatra. Raha tsapa izany fa sarotra mamaly ny maotera, ela vao miodina, mihena ny tanjany… dia midika izay fa mila atao fikojakojana ny fiara.

Olana eo amin’ny familiana

Mila mahitsy tsara ny kodiaran’ny fiara mba ho mora sy azo antoka ny familiana azy. Mora mivilana nefa ireo kodiarana ireo ka isany mety mahatonga izany ohatra ny hoe nilatsaka tanaty lavaka teny an-dalana, nidona… Raha toa ka mivilana ny « volant », misarik’ila na sarotsarotra avily tsy toy ny mahazatra dia midika izany fa mety tsy mahintsy tsara na misy olana ny « direction » na ny « suspension ». Mety hahatonga izany koa ny hoe misy tsy ampy rivotra ny kodiarana na misy olana. Raha mahatsikaritra olana eo amin’ny familiana ny fiara dia tsara hatrany ny manantona manamboatra fiara hijerena ny fikojakojana tokony atao.

Lire la suite

Articles Similaires