Torolalana hisorohana ny lozam-pifamoivozana rehefa avy ny orana
Maro tokoa ny lozam-pifamoivoizana mitranga rehefa vanim-potoan'ny fahavaratra toy izao. Rehefa mitombo ny rotsak'orana dia feno rano miandrona eny amin’ny arabe eny, malama ny lalana… Mba hisorohana ny loza àry dia ireto misy torohevitra tsara arahan’ny mpitondra fiara sy kodiaran-droa rehefa avy ny orana.
Ahena ny hafainganam-pandeha rehefa avy ny orana
Na dia zavatra tokony mandeha ho azy aza ny hoe mila mandeha mora rehefa avy ny orana, mbola misy ihany ireo minia tsy manaraka izany. Isan’ireo antony mitarika ny lozam-pifamoivoizana nefa ny fandehanana mafy rehefa avy ny orana satria mihena ny fahitanan’ny mpamily sady malama ny lalana. Eo ihany koa ireo lavaka tampoka eny amin’ny arabe ka mety mahatonga ny loza ny fialàna azy ireny raha mandeha mafy.
Arehitra ny jiro
Rehefa avy be ny orana dia mety midina latsaky ny 100 metatra ny fahitan’ny mpampiasa arabe. Tsara arak’izany raha arehitra ny jiron’ny fiara na ny kodiaran-droa, indrindra rehefa eny amin’ireny « croisements » ireny, mba ahitan’ny mpamily hafa sy mba ahitana kokoa ny làlana. Tsy voatery amin’ny alina na rehefa maizina ihany ny andro no mampihatra ity torohevitra ity fa ilaina ihany koa izany amin’ny andro mazava rehefa mikija ny orana.
Alefa ny « essuie-glaces »
Ho an’ny mpamily fiarakodia dia mila ampiasaina ny « essuie-glaces » rehefa avy ny orana. Atao mifanaraka amin’ny hamafin’ny orana ny fandehan’izany mba hanatsarana ny fahitana eny an-dalana. Mila karakaraina tsara ny « essuie-glaces » mba hiasa tsara ara-dalàna amin’ny fotoana ilaina azy. Raha toa ka avy be ny orana ka tsy mahavita mamafa tsara ny « pare-brise » araka ny tokony ho izy ireo fitaovana ireo, mila mijanona maka sisiny mihintsy aloha mandra-pihenan'ny orana.
Ampitomboina ny elanelana amin’ny fiara eo aloha
Mba hisorohana ny lozam-pifamoivoizana mandritra ny andro avy orana be dia mila ampitomboana kely ny elanelana eo amin’ny fiara eo aloha. Rehefa mando sy malama ny làlana dia hitsahana mialoha sy tsy mafy be ny hisatra amin’ny fotoana ilàna izany. Raha mila misongona dia mila mandinika sy mitandrina tsara satria mety hitera-doza ny fihenan’ny fahitana sy ny fifiritihan’ny rano eny amin’ny fiara hafa mandritra ny oram-be.
Fadiana ny mandeha amin’ireo toerana tondraky ny rano
Raha azo atao dia fadiana ny mandeha amin’ireo toerana tondraky ny orana, na dia mieritreritra aza fa tokony ho afaka tsy hisy olana aza ny fiara na ny kodiaran-droa entina. Ny rano miandrona dia mety tafiditra ao anatin’ireo faritra tsy tokony hidiran’ny rano ka hanimba ny fiara na hampikorontana ny familiana azy.