• Cours de change
  • 5021.37 AR
  • |
  • $4443.27 AR
Copyright Image : © Arsenre
Image
Fahalalana Ankapobeny

Firavaka : ahoana ny fomba ahafantarana ny firavaka volafotsy ?

23/01/2025 15:01 © Moov.Mg

Maro tokoa ankehitriny ireo firavaka volafotsy hosoka. Efa lafo tokoa nefa ny volafotsy ankehitriny ka mba tsy ho voafitaka dia mila mailo tsara hatrany rehefa hividy itony karazana firavaka itony. Ireto manaraka ireto ary misy fomba 3 ahafahana manavaka ny volafotsy amin’ireo hosoka.

Tsy maintsy mitapoka « métal » hafa ny volafotsy

Alohan’ny hiresahana ireo fomba hanavahana ny firavaka volafotsy amin’ireo hosoka dia tsara hatrany aloha ny manamarika fa tsy maintsy mitapoka « métal » hafa atao hoe « alliage » ny volafotsy vao azo hanefana firavaka. Raha tsy mifangaro tokoa mantsy izy io dia malemy be tsy afaka tefena.
Atao hoe « argent massif » na kosa ny volafotsy rehefa 92,5% fara fahakeliny ny volafotsy tsy mifangaro mandrafitra azy. Ny ambiny no « alliage ». Misy ihany koa moa ireo firavaka volafotsy notefena tamin’ny akora atao hoe « métal argenté ». Tsy azo lazaina hoe tena volafotsy izy ireo satria ny fonony ihany no volafotsy fa ny ao anatiny dia « métal » hafa mihintsy. Ny famantarana ny firavaka vita amin’ny « argent massif » no resahantsika eto.

Tsy miofo na miova loko ny firavaka volafotsy

Ny volafotsy tena izy dia tsy mety miofo. Noho izany dia tsy tokony hiofo na hiova loko mihintsy ny firavaka volafotsy rehefa tratry ny rano aza. Rehefa an-taonany maro vao mety hihamainty ity firavaka ity. Rehefa diovina tsara nefa izy dia miverina amin’ny endriny taloha ihany. Etsy ankilany nefa ireo firavaka « plaqués argent » dia toy ny mangirana be sy manaitra be raha oharina amin’ny volafotsy. Rehefa anaovana elaela nefa izy ireo dia miofo lasa mamoaka loko maitso sy mamela izany eo amin’ny hoditra mifampikasoka amin’ilay firavaka.

Atao fitsapana (test)

Fomba hafa hamantarana ny firavaka volafotsy tena izy ny fanaovana fitsapana izany. Maro ireo teknika azo ampiasaina. Ny voalohany dia ny fampiasana andriamby. Tsotra ny fomba atao. Asiana andriamby akaikin’ilay firavaka. Raha toa ka voasinton’ilay andriamby ity farany dia tsy volafotsy izy izay satria ny volafotsy tena izy tsy « magnétique ». Ny fomba faharoa atao dia ny fampiasana asidra. Kikisana kely amin’ny « lime à métaux » ilay firavaka mba hisy volafotsy kely hanaraka. Rarahana asidra eo amin’io volafotsy kely io. Raha miloko mena ilay izy dia volafotsy tsy mitapoka izay. Raha miloko mena matroka dia « argent massif ». Raha miloko volontany na maitso dia efa ambany ny tahan’ny volafotsy ao aminy. Raha miloko mavo, volontany matroka na manga tsy volafotsy mihintsy izy izay fa « métal » hafa.

Lire la suite

Articles Similaires