• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Yacht
Image
Fahalalana Ankapobeny

Lozam-pifamoivozana na fianjerana : Tsy azo omena rano ny maratra !

01/01/2025 19:28 © Moov

Miezaka mamonjy avy hatrany ny manodidina raha vao misy loza miseho. Ny hanavotana ny ain'ny maratra no tena tanjona. Ampahafantarina nefa isika fa tsy tokony omena rano ny maratra na dia mitady izany aza.

Mahatsiaro manaintaina ny olona rehefa maratra, indrindra moa raha lalina ny ratra sady misy fahatapahana ny taolana. Tafiditra ao anatin'ny "réflexe" ny manome rano, mba hahazo aina kely ilay maratra sady tsy ho safotra. Mety hangataka rano ihany koa ilay maratra noho ny fahaverezan-dra.

Fitandremana

Rehefa misy ra very dia mitady rano ny vatana. Ny mpitsabo ihany nefa no tokony hamaritra ny fotoana tokony hanomezana rano, ilay maratra, rehefa tsy misy atahorana intsony ny aminy.
Misy antony roa tsy mahamety ny fanomezana rano ny maratra :

Fahasemporana

Mbola ao anaty "état de choc" ny olona niharan-doza, na dia miresaka tsara aza izy. Azo lazaina fa tsy tompon'ny tenany ilay niharam-boina ka mety ho diso lalana (mankany amin'ny lalan-drivotra) ny rano. Mety hanetsina ny avokavoka nefa izany.

Fandidiana

Arakaraka ilay ratra, mety hiatrika fandidiana farak'izay haingana ilay maratra raha vao tonga any amin'ny toeram-pitsaboana. Ny olona ho didiana nefa dia tokony tsy misakafo na misotro rano mandritra ny ora maro. Mahasarotra ny fandidiana araka izany ny mety nanomezana rano ilay maratra.
Ampahatsiahivina fa tsy voatery ho hita ety ivelany ny ratra. Misy mantsy ireo niharan-doza no manao "hémorragie interne" noho ny dona nahazo azy.

Lire la suite

Articles Similaires