• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © So Busy Girls
Image
Fahalalana Ankapobeny

Fanasana ny volo : ireo honohono re matetika manodidina izany

19/12/2024 14:33 © Moov.Mg

Maro tokoa ireo honohono sy fiheverana samihafa henontsika eny amin’ny fiarahamonina eny mikasika ny fanasana ny volo. Misy amin’izy ireny no mitombona fa maro ihany koa no tsaho sy fihevi-diso. Andeha ary ho resahana eto ireo honohono mikasika ny fanasana volo sy ny fahamarinan’izany.

Mila sasana matetika hono ny volo

Diso. Ny mifanohitra amin’izay ary no mety kokoa. Rehefa sasana matetika loatra ny volo dia mihasimba ny « film lipidique » miaro ny volo ka mahatonga ity farany ho mora makiana sy tapatapaka. Amin’ny ankapobeny dia tokony indray mandeha isan-kerinandro ihany no manasa loha. Raha tena mora mitera-menaka na « gras » ny volo dia in-droa isan-kerinandro fa tsy tsara raha mihoatra izay. Mba hiarovana ny volo tsy ho mora « gras » dia safidiana tsara ny « shampoing » mifanaraka amin’ny karazam-bolo.

Tokony ovaovaina hono ny « soins capillaires » ampiasaina

Diso. Isan’ireo torohevitra re matetika tokoa ny hoe mila ovaovaina ny « soins capillaires » satria mety tsy handaitra intsony hono rehefa ampiasaina maharitra loatra. Rehefa mahita ny « produit » mety tsara amin’ny volo dia io no tohizana ampiasaina. Mety mitranga ny hoe somary mihena kely ny fiasan’io vokatra io rehefa lasa zatra loatra ilay volo. Ny tena mety dia mampiasa « soins » roa samy hafa. Ohatra hoe raha manana volo olioly dia « shampoing nourrissant » no ampiasaina dia ampiana « après-shampoing pour cheveux abîmés ».

Tsy azo bangoina amin’ny fihogo hono ny volo mando

Diso. Ny fomba fibangoana ny volo no tena zava-dehibe. Maro tokoa no milaza fa manimba volo ny mibango volo amin’ny fihogo rehefa mbola mando iny ny volo. Raha toa ka hogoina moramora nefa izany dia tsy tokony hisy fiantraikany ratsy. Ny mety hanimba ny volo dia ny famafana mafy ny volo mbola mando amin’ny serveta na koa ny fandraotana azy mafy rehefa maika. Noho izany, mila faharetana ny fikarakarana ny volo avy nosasana, na amin’ny fanamainana na ny fibangoana azy.

Sasana amin’ny rano mangatsiaka hono ny volo mba hangirana kokoa

Marina sady diso. Ny fanakobanana ny volo amin’ny rano mangatsiaka dia manidy ny « écailles du cheveu » ka somary mampangirana azy kokoa. Marihana nefa fa sady manidy ny mason-koditry ny hodi-doha ihany koa ny rano mangatsiaka hany ka lasa tsy tafiditra sy hiasa tsara ireo singa anatin’ny « shampoing » sy ny « soins capillaires ». Ireo singa ireo nefa no tena mampangirana ny volo rehefa mety amin’ilay karazam-bolo. Noho izany dia rano matimaty no hanasana ny volo dia rano mangatsiaka no hanakobanana ny tahom-bolo.

Lire la suite

Articles Similaires