• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Systemed.Fr
Image
Fahalalana Ankapobeny

« Grand ménage » ao an-trano : ireo dingana tsara arahana

18/12/2024 15:11 © Moov.Mg

Fotoana iray fanatanterahana ny « grand ménage » ao an-trano ny faran’ny taona toy izao. Amin’io fanadiovana io no fanasivanana ireo fitaovana, entana, akanjo… tsy ilaina intsony ; hanaovana fanadiovana lalina ireo efitra tsirairay… Mba hampizotra sy hampahomby tsara ny « grand-ménage » ary dia atoro eto ireo dingana tsara arahana amin’ny fanatanterahana izany.

Fanomanana sy fandrindrana

Alohan’ny hanombohana ny « grand ménage » dia mila maka fotoana kely handrindrana sy hanomanana ny fanatanterahana izany. Dinihana mandritra izany ny efitra diovina voalohany ary homanina ireo fitaovana sy « produits » ho ampiasaina. Efa tokony ho voafaritra eo ny fotoana eritreretina hanadiovana ny efitra tsirairay sy ireo kojakoja samihafa. Mety tsy ho vita anatin’ny 1 andro io fanadiovana lehibe io ka dia mila vinavinaina dieny am-bohalohany ny fotoana sy ny fomba anatanterahana izany.

Fanasivanana ireo entana, lamba, fitaovana… tsy ampiasaina intsony

Isan’ireo zavatra mampikorontana sy mahasarotra diovina ny trano ny fanangonana ireo entana, fitaovana, lamba, kiraro… tsy ampiasaina intsony noho izy ireo mahabe korontana. Ny « grand ménage » no fotoana fanasivanana sy fanesorana azy ireny. Havahana ireo entana simba sy ireo akanjo na kiraro tsy antonona intsony. Ariana ireo mila ariana ary havahana ireo afaka omena olona na hamidy. Atao isaky ny efitra ny fanaovana ity fanasivanana ity mba tsy hanahirana sy hahakivy. Mahafa-po tokoa ny mahita ny toerana malalaka hazo, na ny anaty « placards », fitoeram-damba…, rehefa afaka avokoa ireo korontana ireo.

Fanadiovana

Eto amin’ity dingana manaraka ity no miditra amin’ny fanadiovana lalina ny ao an-trano. Raha ny ao amin’ny efitrano fatoriana, fandraisam-bahiny sy ny fisakafoanana manokana dia atomboka amin’ny fanesorana ny « rideaux », ny « tapis » sy ny « moustiquaires » izany. Avy eo diovina tsara ny fitaratry ny varavaran-kely, ny fitaratra, ny gorodona… Akisaka ireo fanaka rehetra ary fafana sy kosehana tsara ny ao ambany. Fafana tsara ihany koa ny fanaka sy ny ambadik’ireo izay mety nanangona vovoka. Esorina ny tranon-kala sy loto miafinkafina eny amin’ny toerana maizimaina anatin’ireo efitra.
Raha ny lakozia sy ny trano fidiovana indray dia esorina ireo zavatra anatin’ny « placards » ary diovina tsara ny « placards ». Avela hisokatra eo mba ho maina sy ho azon’ny rivodrivotra. Kosehana tsara avokoa ny rindrina, ny « carreaux », ny « évier » sy « robinets » rehetra mba hangirana. Raha tsy te hampiasa « produits » misy akora simika dia afaka misafidy karibonetra na vinaigitra fotsy amin’ny fanadiovana ireo fitaovana samihafa ao amin’ireo efitra ireo. Tsy adinoina ny manadio tsara ireo zavatra voakitiky ny tanana matetika toy ny « interrupteur », « poignets » ny varavarana… Rehefa voadio tsara ny efitrano dia avela hisokatra tsara ny varavarankely mba hidiran’ny rivotra madio.

Fandaminana

Rehefa voadio tsara ny trano ary afaka avokoa ireo korontan’entana tsy ampiasaina intsony dia miditra amin’ny fandaminana mba hilamina sy maha te-honina ny trano. Asesy halamina arak’izany ireo fitoeran’entana rehetra isak’ireo hefitra. Anisan’izany ny « étagères », ny « placards », ny « bahut », ny fitoeran’akanjo sy kiraro…
Rehefa mandamina ireo fitoeran’ny fitaovana dia atao izay mahamora hita sy voaray ireo izay tena ampiasaina amin’ny andavanandro. Raha ilaina dia ovaina mihintsy ny fandaminana azy ireo raha hita fa somary nikorontana ny nanaovana azy teo aloha. Mampilamina tsara ny trano ny fampiasana « rangements » maro mba tsy hisian’ny entana miparitaka etsy sy eroa.
Averina apetraka daholo ny « rideaux », ny « tapis » sy ny « moustiquaires » avy nosasana. Raha mbola tsy voasasa ireo teo aloha dia soloina izay madio. Soloina ihany koa ny fonom-pandriana, lambam-pandriana sy ny fonon’ondana mba ho madio tsara avokoa ny zavatra rehetra jeren’ny maso.

Lire la suite

Articles Similaires