• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Freepik
Image
Fahalalana Ankapobeny

Atody : akora natoraly mandaitra amin’ny fikarakarana ny volo

17/12/2024 16:45 © Moov.Mg

Ny atody no isan’ny sakafo be otrikaina indrindra. Azo ampiasaina hikarakarana ny volo ihany koa izy io ary efa maro ireo misafidy mampiasa azy amin’ny fikolokoloana ny fahasalamana sy ny fahatsaran’ny volo amin’ny andavanandro. Fa inona tokoa ary ireo vokatsoa entin’ny atody eo amin’ny volo ? Ahoana ny fomba fampiasana azy ?

Ireo vokatsoa entin’ny atody eo amin’ny volo

Araka ny voalaza teo ambony dia sakafo manankarena otrikaina ny atody. Marihana fa mizara roa lehibe ny atody, dia ny tapotsiny sy ny tamenany. Ny tapotsin’atody dia mitahiry proteina amin’ny tahany ambony. Ny proteina dia manamafy sy mampangirana ny volo. Ankoatra izay dia mitondra « fer » sy « zinc » ihany koa ny tapotsin’atody. Ireo mineraly ireo dia mandray anjara amin’ny fihavaozan’ny selan’ny volo ary mitsabo ny tahom-bolo simba. Ny tamenak’atody kosa etsy andaniny dia ahitana vitamina maro toy ny vitamina A, E sy B. Ireo vitamina ireo dia manome sakafo ny volo mba ahatonga azy salama sy tsy mora makiana.

Ny fomba fampiasana ny atody hikolokoloana ny volo

Maro ireo fomba azo ampiasana ny atody hikolokoloana sy hikarakarana ny volo. Ireto manaraka ireo ary ny santionany amin’ny fampiasana ny atody atao « masque » :

« Masque » atody sy menaka oliva

Ho an’ireo manana volo makiana sy simba dia manampy amin’ny fikarakarana izany ny « masque » atody. Tsotra ny fanaovana azy. Kapohana miaraka anaty lovia jobo ny tamenak’atody 1 nasiana menaka oliva 1 sotro fihinanana. Rehefa mitambatra tsara mahazo fangaro malama toy ny « mayonnaise » dia vita. Ahosotra eo amin’ny volo maina ary somary horina kely ny hodidoha. Avela hilona adiny 1 ora dia sasana amin’ny « shampoing » toy ny mahazatra.

« Masque » atody sy tantely

Ity karazana « masque » vita amin’ny atody sy tantely no tsara ampiasaina raha manana volo be menaka na « gras ». Ny famokaran’ny hodi-doha « sébum » be loatra moa no antony mahatonga ity karazam-bolo ity ho mora mitera-menaka. Ny « masque » atody sy tantely dia mitroka ny « sébum » mihoatra ka miaro ny volo tsy ho mora « gras ». Tsotra ny atao. Afangaro ny tantely 2 sotro fihinanana, ny karibonetra 1 sotrokely, ny rano matimaty 4 sotro fihinanana ary ny atody 1. Ahosotra eo amin’ny fotom-bolo ity « masque » ity dia horina kely ny hodi-doha. Avela hilona 15 minitra avy eo sasana toy ny mahazatra ny volo ary kobanina tsara.

Lire la suite

Articles Similaires