• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ufc
Image
Fahalalana Ankapobeny

Loha sola : Mety mbola azo ampaniriana ve ?

03/12/2024 04:55 © Moov

Tsy vitsy ireo lehilahy miha-sola rehefa manakaiky ny faha-40 na faha- taona iny. Misy aza ireo mbola tena tanora nefa miha-sola tsikelikely. Inona àry ny azo atao ?

Fikarakarana natoraly

Azo atao tsara ny mampaniry indray ny volo miha-sola. Tsy voatery mampiasa volabe hividianana "produits" isankarazany akory. Ireto àry misy toro vitsivitsy tsara ampiharina.
-Manasa loha isan'andro, mampiasa "shampoing" mety amin'ilay karazambolo. Somary ahodikodina ny tanana, izany hoe "manao massage capillaire", rehefa manosotra ilay shampoing. Kobanina tsara amin'ny rano mangatsiaka avy eo ;
-Bangoina tsara ny volo eo am-panasana azy, rehefa vita sasa, ary rehefa maina ;
-Ilaina ny mampiasa menabolo, mba ho sakafon'ny volo.
Raha te hahazo vokatra haingana, tsara raha mikarakara "masque" atao indroa na in-telo isan-kerinandro. Akora mora hita amin'ny andavanandro ihany no ampiasaina amin'izany :
-Safidy 1 : Totoina amin'ny mixeur ny tongolobe 2 na 3. Hosorana amin'ny volo ny ranony, sady somary orina mandritra ny 15 minitra. Kobanina amin'ny rano matimaty avy eo. Tsara raha mampiasa shampoing manitra tsara.
-Safidy 2 : Afangaro ny atody iray, huile d'olive 1 sotro ary tantely 1 sotro. Azo soloina huile coco ny huile d'olive raha tsy misy ao an-trano. Apetraka eo ambony loha mandritra ny 10 minitra ary kobanina avy eo.
-Azo atao ny mihinana vitamine B6, vidiana eny amin'ny Farmasia.

Fanovana fomba fiainana

Rehefa mitombo ny taona dia mitaky avokoa ireo ezaka mafy efa vita tamin'ny fahatanorana. Misy fiantraikany amin'ny endrika ivelany ihany koa ny hazakazaka isan'andro, indrindra raha mampiasa vatana sy saina be ny olona. Raha mihintsana ho azy ny volo dia lakolosy fanairana izany fa misy fomba fiainana mila amboarina.
-Adiny 10 isan'andro raha be indrindra no azo iasana. Tsy dia tsara ny miasa mafy loatra, na mitondra asa entina mody mihitsy ;
-Mila matory adiny 7 raha kely indrindra ny tsirairay, ary mila matory sy mifoha amin'ny ora raikitra ;
-Tsara amboarina ny sakafo : legioma sy voankazo no atao betsaka, ary ajanona ireo sakafo misy akora simika isan-karazany. Mazava ho azy, manakorontana sy mandreraka ny vatana ny zava-mahadomelina isan-karazany ;
-Tena ilaina ny fisotroana rano (1,5 litatra farafahakeliny) sy ny fanenana ny siramamy hanina.

Lire la suite

Articles Similaires