• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Systemed.Fr
Image
Fahalalana Ankapobeny

Fomba atao hanafoanana ireo kadradraka ao an-trano

20/11/2024 13:25 © Moov.Mg

Mirongatra tokoa ny kadradraka ao an-trano ankehitriny. Anisan’ireo bibikely sarotra fongorony tokoa izy ireny nefa dia sady mandoto no mampisy fofona ratsy ao an-trano, indrindra ny ao anaty « placards ». Ireto ary ireo torohevitra manampy mba hamongorana tanteraka ireo kadradraka ao an-trano.

Atao hentitra tsara ny fahadiovana

Ny potin-kanina sy ny hamandoana no tena manintona ny kadradraka ao an-trano. Noho izany dia mila fafana sy diovina tsara hatrany ny ao an-dakozia sy ireo fitaovana fampiasa ao aminy mba hanalana ireo potin-kanina rehetra mety ho tavela. Ankoatra izay dia tehirizina anaty fitoerana mihidy tsara daholo ireo sakafo, na manta na masaka, rehetra. Tsy adinoina ny misoroka ny hamandoana, indrindra ao an-dakozia sy ao amin’ny trano fidiovana. Tsy avela hibokiboka, fafana atao maina tsara ireo faritra mandomando ary amboarina ireo fitaovana mety manary rano.

Mampiasa fandrika sy poizina famonoana kadradraka

Efa maro ireo karazana fandrika sy poizina samihafa famonoana kadradraka hita eny amin’ireo tsena natokana amin’izany. Misy ohatra ireo fandrika misy lakaoly izay mampiraikitra ireo bibikely izy mandalo eo aminy. Manampy amin’ny fampihenana ny isan’izy ireo izany. Eo ihany koa ireo poizina izay mamono ireo kadradraka mihinana izany. Tandremana tsara kosa nefa mba esorina avokoa ireo fitaovana rehetra fihinanana sy fikarakarana sakafo vao mampiasa io poizina io.

Mampiatra fikafika natoraly hiadiana amin’ny kadradraka

Zavatra tena tsy tian’ny kadradraka ary mampitsoaka azy ireny ny fofona mahery, toy ny fofona vinaigitra fotsy, huiles essentielles citron, eucalyptus… Mba handroahana ny kadradraka sy tsy hampiverina azy ao an-trano intsony ary dia afangaro ny rano iray kaopy sy ny vinaigitra fotsy mitovy fatra amin’izay na ny rano sy huiles essentielles impolo mitete. Io fangaro io no atsifitra akaikin’ny toerana fivoahan-drano sy ao amin’ireo faritra ahitana kadradraka matetika. Tsy adinoina ny manentsina ireo lavatra sy mitriatra eo amin’ny rindrina, gorodona, varavarana, varavarankely, manodidina ny « tuyaux » satria eo amin’izy ireny no miditra ireo bibikely ireo.

Lire la suite

Articles Similaires