• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Doctissimo
Image
Fahalalana Ankapobeny

Loza ao an-tokantrano : Fomba natoraly hanavotana ny hoditra may

19/11/2024 10:17 © Moov

Mety hitranga ao an-dakozia matetika ny fahamaizana noho ny rano/ ronono mangotraka, na vilany/ menaka/ sakafo mamay. Samy manana ny fihetsika ataony ny tsirairay, indrindra mba hampitoniana ny fanaintainana. Ireto àry misy torohevitra vitsivitsy azo ampiharina tsara.

Tsy tokony kosehina ny hoditra raha vao may, na mangirifiry aza. Raha misy akanjo teo ambonin'ilay faritra may dia esorina avy hatrany izany. Mety hiraikitra mantsy ilay lamba raha sanatria lalina ny fery.
-Azo atao ny maka koveta misy rano mangatsiaka ka atao ao ny tanana na tongotra may. Araraka tsy mijanona (mandritra ny 10 minitra) ny rano mangatsiaka raha antenatenany ny faritra may ;
-Azo asiana "dentifrice" na ditina vahona avy hatrany ny faritra may, ka tsy kobanina raha tsy afaka ora maromaro. Tsara raha mampiasa tantely, vaseline na huile essentielle citronelle avy eo, mba hanafainganana ny fahasitranana ;
-Tokony manantona hôpitaly avy hatrany raha lehibe ny faritra may, na mandavaka ny fery (toy ireny miepaka ireny).

Fitandremana ny amin'ny fahamaizana ao an-tokatrano

Mahafaty ny fahamaizana raha mahazo faritra saropady, toy ny loha sy ny kibo. Raha sanatria ka mahatondraka ny kibo manontolo ohatra ny rano na ronono mangotraka dia mety hivoaka hatramin'ny tsinay. Tsara hatrany araka izany ny mitandrina, na eo aza ny fotoana tery.

-Tsy ampidirina any an-dakozia ny ankizikely latsaky ny 5 taona. Afaka mikarakara "séance de cuisine" kosa nefa mba hampianarana ny zaza hahandro, saingy mila fitandremana be ;
-Mila mijery tsara ny manodidina rehefa misy zavatra mamay eny an-tanana. Tokony tsy ho maimaika mihitsy rehefa mikirakira vilany na lapoaly mamay ;
-Tsy atao tandrifin'ny lalana andehanana ny tahom-bilany ;
-Vilany tsara kalitao hatrany no ampiasaina, mba tsy hipika tampoka ny tahony rehefa mavesatra ny rano na sakafo atao ao ;
-Tena ilaina ny "fibatana vilany" na dia tsy tanteraky ny hafanana aza ny tahom-bilany ;
-Alamina sy diovina tsara ny lakozia mba tsy hisy zavatra hamingana tampoka ;
-Raha mampiasa afon-tsaribao dia atao mahitsy sy mipetraka tsara ny lapoaly na ny vilany, sao mitongilana tampoka. Tsy atao mamay loatra ny menaka raha hanendy zavatra (sao mirehitra tampoka ka mandoro ny tarehy).


Copyright Image : © Hopital de Montréal

Lire la suite

Articles Similaires