• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Le Club V
Image
DYI

Fomba fanamboarana « gel de lin » ao an-trano

19/09/2024 15:27 © Moov.Mg

Vokatra iray fahenontsika matetika tato ho ato ny « gel de lin ». Vokatra mitondra vokatsoa maro ho amin’ny fikarakarana ny volo izy io. Efa maro ireo mivarotra azy eto amintsika. Ho an’ireo maniry hanamboatra ny « gel de lin » ao an-trano ary dia atoro eto ny fanaovana izany.

Ireo vokatsoa azo avy amin’ny « gel de lin »

Alohan’ny hizarana ny fomba fanamboarana ny « gel de lin » ao an-trano dia tsara ny mampatsiahy ireo vokatsoa entiny ho an’ny volo. Ny « gel de lin » dia azo avy amin’ny fanodinana ny « grains de lin ». Ireto farany dia mitahiry vitamina maro toy ny vitamina E, B1, B5, B6… izay miasa amin’ny fanalavana ny volo.
Ankoatra izay dia ahitana singa maro izay mikolokolo ny fahasalaman’ny volo izy ireo ka miaro ny volo sy ho mora simba na vakivaky. Ankoatra izay dia manamandina ny volo ny fampiasana « gel de lin » ary mampalefaka izany.

Ireo zavatra ilaina raha hanao « gel de lin »

-Grains de lin 2 sotro ;
-Rano 1 vera ;
-Vilany kely ;
-Lamba voile hitatavanana azy.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana

Arotsaka anatin’ny vilany kely ny rano 1 vera sy ny grains de lin 2 sotro. Avela hangotraka sy hiketrika eo ambony afo malefaka. Aroharoana amin’ny sotrobe hazo rehefa manomboka mangotraka.
Rehefa madinty tsara ny fangaro dia esorina teo ambony afo. Avela hangatsiaka dia tatavanina amin’ny lamba voile. Fihazana tsara mba hivoaka tsara ny gel. Atao anaty fitoerana mety mihidy tsara.
Tahirizina amin’ny toerana mangatsitsiaka sy tsy azon’ny hainandro. Azo tehirizina mandritra ny roa herinandro.

Ny fomba fampiasana azy

Maro ny fomba afaka ampiasana ny « gel de lin » amin’ny fikarakarana ny volo :
-Afaka ampiasaina atao « masque hydratant ». Afangaro amin’ny tantely sy maïzena ary io fangaro io no ahosotra eo amin’ny volo avy nosasana sy mbola mando. Avela hilona 15 minitra dia kobanina.
-Afaka atao leavin. Sasana tsara toy ny mahazatra ny volo ary asiana « masque ». Rehefa avy nilona ny « masque » dia kobanina. Ny « gel de lin » amin’izay no ampiasaina atao leavin. Mamoaka sy mampitana tsara ny miolakolana amin’ny volo izy ity. Tsy kobanina fa ajanona amin’ny volo.

Lire la suite

Articles Similaires