• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Bijoux Fashion
Image
DYI

Torohevitra hikolokoloana ny firavaka varahana mba tsy hiofo

03/09/2024 11:10 © Moov.Mg

Maro amintsika no mankafy ireny firakavaka varahana ireny noho izy ireo tsy lafo nefa tsara endrika. Matetika nefa izy ireny dia mora miofo sy arafesina. Ahoana ary ny fomba atao hikolokoloana ny firavaka varahana mba tsy hiofo ?

Ny antony mampiofo sy arafesina ny fitaovana varahana

Mahakivy sy mahadiso fanantenana ny mahita ny firavaka varahana mora miofo sy arafesina. Lasa ratsy endrika izy ireny ka matetika tsy afaka anaovana intsony. Maro ireo antony mety mahatonga izany :
-Rehefa tratry ny rivotra matetika dia lasa misy sosona sulfure mipetraka eo aminy ka mahatonga ny varahana lasa mihamainty na miofo ;
-Rehetra tratry ny hatsembohana dia lasa mivaramainty haingana kokoa ny firavaka varahana. Misy karazana asidra mamparafesina azy ireny tokoa mantsy anatin’ny hatsembohana ;
-Ireo vokatra misy akora simika toy ny ranomanitra, ny vokatra fikolokoloana ny tarehy sy ny volo… dia mety hampiofo sy haharafesina ny firavaka varahana. Raha tratry ny ranomanitra ny varahana na mampiasa vokatra misy singa simika amin’ny fanadiovana azy dia vetivety dia hiofo sy ho arafesina izy ireny.

Fomba atao mba tsy hampiofo na ho arafesina aloha loatra ny firavaka varahana

Mila kolokoloana tsara ny firavaka varahana mba tsy ho mora miofo sy arafesina. Arak’izany ary dia tsara raha :
-Ampirimina tsara amin’ny toerana maina sy maizimaizina ny firavaka varahana. Raha azo atao dia ampirimina anaty boaty manokana fampirimana firavaka ary fonosina lamba mba tsy hifampikasoka sy hifanakiaka ireo firavaka ;
-Esorina ny firavaka varahana alohan’ny handroana na hisasana. Ny savony, ny shampoing, ny gel douche… dia mety hampiofo sy hamparafesina azy ireny ;
-Fadiana ny manao azy ireny rehefa hanao fanatanjahantena. Araka ny voalaza teo ambony dia misy singa mahamainty sy mampiofo ny firavaka varahana amin’ny hatsembohana ;
-Tsy avela ho tratry ny vokatra misy singa simika ny varahana. Na ranomanitra izany na vokatra fikarakarana hoditra sy volo ;
Diovina matetika ny firavaka varahana. Azo atao ny mampiasa rano sy savony ary borosy malefaka. Afaka mampiasa akora natoraly toy ny karibonetra, vinaigitra fotsy na koa ranona voasary makirana hanadiovana azy ireny. Kobanina sy hamainina tsara kosa nefa ny firavaka varahana vao ampirimina.

Lire la suite

Articles Similaires