• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Recette Marocaine
Image
DYI

Lohalika sy kiho nihamainty : inona no atao ?

22/08/2024 16:53 © Moov.Mg

Maro ireo faritra amin’ny vatantsika no mety ho lasa miloko matroka, na mainty mihintsy aza, ka anisan’izany ny kiho sy ny lohalika. Manelingelina maso ary mety mahamenatra tokoa izy ireny. Ireto ary misy torohevitra hampazava ny kiho sy ny lohalika nihamainty.

Inona no antony mahatonga ny kiho sy ny lohalika hihamainty ?

Ny antony lehibe mahatonga ny kiho sy ny lohalika mihamainty na lasa matroka dia noho ny atao hoe « hyperpigmentation » ny hoditra. Ny « hyperpigmentation » moa dia ireo tasy maharitra mipoitra eo amin’ny hoditra vokatry ny fikorontanan’ny « mélamine ». Ity farany moa no tomponan’andraikitra amin’ny fanomezana loko ny hoditra.
Eo amin’ny kiho sy ny lohalika dia somary mikorontana ny fahazoana loko avy amin’ny « mélamine » ka mahatonga azy ireo hisy « hyperpigmentation ». Ankoatra izay dia misy ireo anton-javatra hafa mahatonga ireo faritra ireo ho lasa matroka, toy ny fikasohana amin’ny akanjo matetika izay lasa mampatevina ilay hoditra, ny tsy fahampiana rano, « peaux mortes »…

Inona ary ny azo atao hampazava ny kiho sy ny lohalika ?

Mba hisorohana ny kiho sy ny lohalika tsy ho lasa mainty sy mba hampazava ireo faritra ireo dia ireto ary ny torohevitra tsara arahana :

Kosehana indray mandeha na indroa isan-kerinandro ny kiho sy ny lohalika

Mba hanesorana ireo « peaux mortes » izay sela maty eo amin’ny hoditra mitahiry « mélamine » dia mila kosehana matetika ny kiho sy ny lohalika. Rehefa miraikitra eo tokoa mantsy ireo sela maty ireo dia lasa manamatroka ireo faritra ireo. Tsara noho izany raha manao ireny « gommage » ireny mba hampiala tsara izany.

Amandinina tsara ny hoditra

Mora maina tokoa ny lohalika sy ny kiho noho izy ireo voakasokasoky ny akanjo matetika. Mba hiarovana azy tsy ho lasa matroka dia mila amandinina tsara isan’andro. Rehefa avy natao « gommage » dia osorana « crème hydratante » tsara eo amin’ireo faritra ireo. Tandremana tsara mba ho vokatra mifanaraka tsara amin’ny karazan’ny hoditry ny tena no ampiasaina.

Arovana amin’ny masoandro ireo faritra ireo

Mety mahatonga « hyperpigmentation » eo amin’ny kiho sy ny lohalika ihany koa ny fidaniana amin’ny masoandro ela sy matetika loatra. Ny taratry ny masoandro tokoa mantsy dia mandrisika ny famokarana « mélamine » tsy ara-dalàna ka mahatonga tasy eo amin’ny hoditra. Osorana « crème solaire » hatrany noho izany ny hoditra isaky ny hivoaka amin’ny masoandro.

Lire la suite

Articles Similaires