• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Tf1 Info
Image
DYI

Fikafika fanadiovana « joints de carrelage »

20/08/2024 16:43 © Moov.Mg

Zavatra iray isan’ny manaratsy ny endriky ny trano ny « joints de carrelage » maloto. Mila diovina sy kosehana tsara matetika izy ireny mba tsy hiangona ny loto. Indraindray nefa na efa sasana tsara ary mbola tsy mety afaka ny loto aminy. Ireto ary misy fikafika mandaitra hanadiovana ny « joints de carrelage ».

Mampiasa vinaigitra fotsy sy karibonetra

Efa tsy zoviana amintsika intsony ny asan’ny vinaigitra fotsy sy ny karibonetra amin’ny fanadiovana isan-karazany ao an-trano. Mbola azo ampiasaina ihany koa ireto akora natoraly ireto amin’ny fanadiovana ny « joints de carrelage ». Afangaro ny rano mafana iray seau miaraka amin’ny vinaigitra fotsy 2 vera sy karibonetra 2 sotro fihinanana. Io fangaro io no hikosehana ny « joints de carrelage » amin’ny alalan’ny éponge. Rehefa voakosika tsara dia kobanina.

Diovina ary fotsiana amin’ny dentifrice

Mandaitra amin’ny fanadiovana sy ny fanafotsiana ny « joints de carrelage » ihany koa ny dentifrice. Ny carreaux fanao amin’ny rindrina moa no tena ampiasana ity torohevitra ity. Miady amin’ny fiforonan’ny « tartre » eo amin’ny « joints de carrelage » ary manala izany mihintsy moa ny dentifrice. Tsotra ny fampiasana azy. Asiana dentifrice eo ambonin’ny borosy nify efa tsy ampiasaina intsony. Kosehana tsara amin’izany ny « joints de carrelage ». Kosehana manaraka ny fipetraky ny carreaux mba handaitra tsara. Rehefa vita dia kobanina tsara amin’ny rano.

Lire la suite

Articles Similaires