• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Vivons Maison
Image
DYI

Torohevitra hamonoana na hampandosirana voalavo

16/08/2024 11:56 © Moov.Mg

Isan’ireo bibikely mpanimba zavatra tokoa ny voalavo. Tsy mifidy aripaka izy ireny fa dia ataony lasibatra avokoa ny entana ao an-trano, ny varavana sy izay sendra ny lalany. Ankoatra izay moa dia mitondra aretina ny parasy entin’izy ireny. Ahoana ary ny fomba atao hamonoana sy hampandosirana voalavo ?

Lafarina sy « plâtre » hamonoana ny voalavo

Tia mihinana lafarina ny voalavo. Azo hamandriana azy ireny tsara izany ity farany. Afangaro ny lafarina sy ny rano ary ny « plâtre ». Rehefa tafihinana io fangaro io ny voalavo dia lasa miraikitra ao amin’ny vavoniny izany ka mahasempotra sy mahafaty azy. Mba hampandaitra tsara an’ity poizina ho an’ny voalavo ity dia afangaro « plâtre » 1 kaopy sy ny lafarina 2 kaopy. Apetraka eo amin’ny toerana ahitana voalavo matetika izany. Asiana rano amin’ny bol eo akaiky. Rehefa avy mihinana io fangaro io ny voalavo dia mangetaheta ka misotro rano. Rehefa mifangaro ao amin’ny vavoniny izany dia hiraikitra ao ka hahafaty azy.

Karibonetra, manampoizina ny voalavo

Akorana natoraly mandaitra amin’ny fanampoizinana voalavo nefa tsy misy atahorana ho an’ny olombelona ny karibonetra. Rehefa mifampikasoka amin’ny asidra anatin’ny vavonin’ny voalavo izy io dia mivadika « gaz » atao hoe « dioxyde de carbone ». Miangona ao amin’ny tsinainy io « gaz » io nefa tsy tafavoakany ka lasa mahafaty azy. Raha ampiasa ity poizim-boalavo ity dia afangaro ny karibonetra sy ny totom-boanjo, na sakafo iray ankafizin’ny voalavo, avy eo apetraka amin’ny toerana ahitana ity farany matetika.

Mampiasa « menthe poivrée » hampandosirana ny voalavo

Tsy tia fofona sy tsiro masitsiaka na « épicé » ny voalavo. Ny « huile essentielle de menthe poivrée » no isan’ny mandaitra indrindra mba hampandosirana azy ireny. Rarahana azy io eny akaikin’ny varavarana sy ireo toerana mety hidiran’ny voalavo ao an-trano. Mitsaoka avy hatrany izy ireny vao mahare izany fofona izany. Azo atao ihany koa ny mampiasa vovon-tsakay afangaro liquide vaisselle sy rano. Atao anaty « vaporisateur » ary io fangaro io no atsifitra eny amin’ny zaridaina sy ny kihon-trano.

Lire la suite

Articles Similaires