• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cuisineaz
Image
DYI

Fikafika hanesorana ny fofona tongolo amin’ny tanana

13/08/2024 16:39 © Moov.Mg

Isan’ny zavatra manahirana rehefa manao lakozia ny fofona tongolo na tongolo gasy miraikitra amin’ny tanana. Na efa manasa tanana amin’ny savony ary dia mbola tsy afaka tsara foana izany fofona izany. Ireto manaraka ireto ary misy fikafika hanesorana ny fofona tongolo sy tongolo gasy miraikitra amin’ny tanana.

Kosehana amin’ny fitaovana vita amin’ny « inox » ny tanana

Isan’ireo fomba mandaitra hanesorana haingana ny fofona tongolo na tongolo gasy miraikitra amin’ny tanana ny fikosehana ity farany amin’ny fitaovana vita amin’ny « inox ». Tsotra ny atao, alefa ny rano ary kosehana amin’ilay fitaovana, toy ny sotro na fitaovana ao an-dakozia vita « inox » ny tanana. Ny fanaovana izany dia mampisy « réaction chimique » atao hoe « oxydoréduction » ka mahatonga ilay « inox » hitroka ilay fofona tongolo amin’ny tanana.

Sasana amin’ny « dentifrice »

Mety tsy mampino nefa dia mandaitra tokoa ny fanasana tanana amin’ny « dentifrice » mba hanalana malaky ny fofona tongolo na tongolo gasy aminy. Asiana « dentifrice » kely eo amin’ny tanana avy namoafy na nitetika tongolo dia somary kosehana kely ny tanana avy eo kobanina tsara. Mandaitra ihany koa ity torohevitra ity hanesorana ny fofona trondro na hazan-dranomasina miraikitra amin’ny tanana. Tandremana kosa nefa mba tsy atao matetika loatra izany satria mety hanimba ny hoditry ny tanana.

Mampiasa karibonetra na tain-kafe

Efa tsy zoviana amintsika intsony ny asan’ny karibonetra amin’ny fanadiovana sy ny fiadiana amin’ny fofona ratsy amin’ny andavanandro. Azo ampiasaina ihany koa izy ity hanesorana haingana ny fofona tongolo na tongolo gasy amin’ny tanana. Rehefa vita ny fikarakarana sakafo dia rarahana karibonetra eo amin’ny tanana ary atao mifampikosoka ny tanana roa. Azo soloina tain-kafe ihany koa ny karibonetra. Avy eo sasana amin’ny savony toy ny mahazatra ny tanana.

Lire la suite

Articles Similaires