• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Pinterest
Image
DYI

Tarehy miroraka, be kentrona : inona no vahaolana ?

12/08/2024 11:35 © Moov.Mg

Raha tsy ampy ny fikarakarana ny hodi-tava dia mety hiroraka na ho be kentrona aloha be tarehy. Mba hisorohana izany dia mila hamandinina hatrany ny hodi-tava mba hananana tarehy tanora lalandava. Ity ary misy vokatra natoraly mandaitra amin’ny fanamandinana ny hodi-tava sy hiadiana amin’ny kentrona amin’ny tarehy.

Akora ilaina

-Tapotsin’atody 2 ;
-Yaourt natiora 1 sotro fihinanana.

Ny fomba fikarakarana sy fampiasana azy

Kapohina anaty lovia jobo ny tapotsin’atody avy eo arotsaka ao ny yaourt natiora. Tohizana kapohina hatrany mba hifangaro tsara ireo akora ireo.
Sasana madio tsara ny tarehy ary avela ho maina. Hosorana io vokatra io ny tarehy manontolo. Atao manify fihosotra. Somary orina moramora miakatra eo am-panosorana azy.
Avela hijanona eo mandritra ny 30 minitra. Rehefa vita izay dia kobanina amin’ny rano matimaty. Atao in-telo isan-kerinandro ity fikarakarana ny hodi-tava ity mba ahazoana vokatra tsara.

Ireo vokatsoa entin’ny tapotsin’atody eo amin’ny tarehy

Maro ireo vokatsoa entin’ny tapotsin’atody eo amin’ny hodi-tava :
-Miaro ny hoditra tsy ho mora miroraka sy tsy ho be kentrona aloha be ;
-Manamandina ny hodi-tava ka mahatonga ity farany hamokatra « collagène » sy « élastine » bebe kokoa. Ireo singa ireo no mitazona ny hodi-tava ho tanora lalandava ;
-Mandrindra ny famokarana « sébum » mba hisorohana ny mony sy ireo tasitasy aterak’izany, indrindra eo amin’ireo manana karazana hoditra matavy (peau grasse).

Lire la suite

Articles Similaires