• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Systemed
Image
DYI

Karibonetra : Inona no azo ampiasana azy ao an-trano ?

09/08/2024 10:14 © Moov

Marobe ireo mihevitra fa tsy ilaina ny karibonetra satria akora simika mety hankarary. Malaza tokoa mantsy ny fampiasan'ireo mpivarotra hani-masaka io vokatra io hampitomboana vary na handemena katsaka. Tsara nefa ny mahafantatra ireo tombontsoa rehetra entin'ny karibonetra (Bicarbonate de soude).

Manala rivotra amin'ny vavony, anamboarana ODIVA

Tsy mora ny miharitra ny aretim-bavony,indrindra rehefa mila mifantoka amin'ny fianarana na ny asa. Mety hanavotra tokoa ny karibonetra raha toa ka rivotra no tsapa any anaty vavony, na tsapa hoe sarotra ny fandevonankanina. Asiana karibonetra kely indray mitsongo ny rano matimaty sotroina. Azo ampiasaina anamboarana Odiva ihany koa ny karibonetra : sira 8 tsongo, siramamy 1 tsongo ary karibonetra 1 tsongo. Tena ilaina io karazana zavapisotro io rehetra tratry ny aretim-pivalanana.

Manadio legioma sy voankazo

Tokony manana karibonetra hatrany ny tokantrano tsirairay isan'andro, satria misy ilàna azy foana io vokatra io. Azo asolo "pesticide" tsara ny karibonetra. Rehefa hanasa voankazo na legioma dia asiana karibonetra kely ny rano. Kobanina tsara amin'ny rano tsotra avy eo.

Manala fofona ratsy

Azo ampiasaina amin'ny fanadiovana ao an-tokantrano ny karibonetra. Raha maheno fofona ratsy amin'ny vata fampangatsiahana ohatra dia ametrahana rano misy karibonetra amin'ny vera ao. Azo rarahana karibonetra kely ihany koa ny daba fanariampako mba tsy hamofona loatra.

Manadio nify

Raha hita fa lasa mavo ny nify, mety hamerina azy ho fotsy tsara ny karibonetra. Borosiana amin'ny "dentifrice" mahazatra aloha ny nify. Manamboatra "pâte" amin'ny karibonetra sy voasary makirana avy eo, ka iny no hiborosiana nify. Eo ho eo amin'ny 5 minitra ihany no kosehina ny nify, mba hitandrovana ny akanjonify.

Manadio vilany misy may

Sarotra ny manala ny faritra mainty miraikitra amin'ny vilany, rehefa avy may iny ny vary na ny laoka. Manips betsaka amin'ny fanadiovana nefa ny karibonetra. Asiana rano na ranomboasary makirana ny karibonetra, ka mahazo fangaro madity avy eo. Ahosotra eo amin'ilay faritra may ilay fangaro ka avela eo mandritra ny 30 minitra. Kosehina sy kobanina avy eo ny vilany.

Mamerina ny vera hangirana indray

Matetika dia lasa matromatroka ny vera rehefa ela ny ela. Raha tianao hiverina hangirana indray izany fitaovana izany dia rano mafana asiana karibonetra no handomana azy aloha. Somary kosehina amin'ny "éponge" misy "liquide vaiselle" avy eo.

Lire la suite

Articles Similaires