• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Elsan
Image
DYI

Torohevitra hiadiana amin’ny fofom-bava ratsy rehefa avy mifoka sigara

08/08/2024 18:08 © Moov.Mg

Maro ireo vokadratsin’ny fifohana sigara. Ankoatra ny fanimbana ny fahasalamana dia manaratsy ny fofom-bava ihany koa ny fifohana azy ireny. Mba hanakomana sy hiadiana amin’ny fofom-bava ratsy rehefa avy mifoka sigara ary dia ireto misy torohevitra manampy amin’izany.

Tantely sy huile essentielle de menthe poivrée

Manampy betsaka amin’ny fanesorana ny fofom-bava ratsy rehefa avy mifoka sigara ny fampiasana tantely nafangaro tamin’ny huile essentielle de menthe poivrée. Tsotra ny fampiasana izany. Asiana huile essentielle de menthe poivrée indroa mitete anatin’ny tantely 1 sotro fihinanana. Rehefa avy manontsam-bava dia atao ao am-bava io fangaro ireo ary avela ho levona faran’izay ela indrindra.

Dentifrice nasiana huile essentielle d’eucalyptus

Ny fofon-tsigara ao am-bava dia tsy afaky ny dentifrice fotsiny amin’izao fa mbola mijanona foana na avy miborosy nify aza. Mba hanalana izany fofona ratsy ao am-bava izany dia asiana huile essentielle indray mitete eo ambonin’ny borosy nify efa misy dentifrice. Borosina toy ny mahazatra amin’izany ny nify ary kosehana kely ihany koa ny lela. Kobanina tsara ny vava dia ho afaka ny fofon-tsigara.

Asiana concombre eo ambony lela

Fikafika iray mandaitra ihany koa ny fampiasana concombre mba hanesorana ny fofom-bava ratsy rehefa avy mifoka sigara. Sasana tsara ny concombre dia voasana. Avy eo tetehana boribory fisaka, tsy atao manify be loatra, ary io atao mipetaka eo amin’ny ati-vava (palais). Avela hijanona 1 minitra dia soloina hafa indray mandrapa afak’ilay fofon-tsigara ao am-bava.

Mitsako singana jirofo

Ny jiro dia mandaitra amin’ny fanesorana ny fofona ratsy ao am-bava. Mazava ho azy fa azo ampiasana hanakonana sy hanesorana ny fofon-tsigara ao am-bava ihany koa izy ireny. Ankoatra izay moa manampy amin’ny fiikolokoloana ny fahasalaman’ny nify sy ny ati-vava ihany koa ity zava-maniry ity. Maka singana jirofo efa nosasana tsara ary iny no tsakotsakoana ao am-bava. Rehefa potika tanteraka dia arora ny faikany ary kobanina amin’ny rano ny vava.

Lire la suite

Articles Similaires