• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Hello Artisan
Image
DYI

Adino ny nanidy Gaz : Tandremo fa mety hisy fipoahana !

07/08/2024 07:35 © Moov

Manahirana ny manenjika fotoana amin’ny maraina, indrindra raha misy ankizy karakaraina. Mila vita alohan’ny amin’ny 6 ora na amin’ny 7 ora maraina avokoa ny fandrahoana sakafo, ny fanadiovana trano sy ny fiomanana rehetra. Ilaina hatrany nefa ny fahamailoana hisorohana ny loza.

Misy zavatra adino foana matetika rehefa mikoropaka iny. Mety hitranga ny hoe novoinoina soa aman-tsara ny afon’ny « cuisinière » saingy adino ny nanidy ny Tavoahangina Gaz. Tadidio fa amin’izay fotoana izay dia miparitaka ao an-dakozia ny Gaz, ary mety hahazo ny efitra hafa. Raha vao misy mandrehitra « briquet » na mifoka sigara dia mipoaka avy hatrany ny trano.

Inona no atao raha mahare fofona Gaz ?

Raha tena tsy tsaroana ny hoe adino ny nanidy Gaz, tokony hahare fofona raha vao miditra ny trano. Eo indrindra no tena ilana fitandremana mba tsy hampisy fipoahana.
Ireto ary misy toromarika tokony arahina :
-Tsy arehitra ny jiro. Tsy tsilovina amin’ny Torche ny lalana na maizina aza ;
-Sokafana moramora ny varavarana sy varavarankely rehetra, mba ivoahan’ny entona moramora;
-Hidiana ny Gaz.
Tsy azo arehitra ny jiro raha tsy lefy ny fofona entona. Tsy tokony handrehitra afo na hanokatra ny vata fampangatsiahana ihany koa.

Inona no tokony atao hisorohana ny fahamaizana ?

Tsy vitsy ny haintrano namoizana fananana an-tapitrisany maro teto Antananarivo. Matetika dia lasa miasa ireo tompontrano ka ora vitsy aorian’ny fandehanan’izy ireo no mirehitra ny trano. Ny tsy fahamailoana matetika no tena fositry ny loza.
Ireto ary misy teboka tsara saintsainina :
-Hamarinina tsara ireo fitaovana fampiasa an-dakozia mialoha ny hiaingana, na maika tahaka ny ahoana aza. Ny olondehibe no mivoaka farany, satria mety higafigafy ny ankizy. Mety hipoaka ohatra ny micro-onde raha alefa nefa tsy misy na inona na inona ao anatiny ;
-Miverina ao an-trano avy hatrany raha misy fitaovana matanjaka adino ny nanatsoaka azy, na tadidy tampoka hoe adino ny nanidy Gaz ;
-Ilaina ny mampiasa fitaovana tsara kalitao handraisana herinaratra. Tafiditra ao anatin’izany ny « fils » sy ny « prises ». Mifanaraka amin’izany mantsy ny fetran’ny tanjaky ny fitaovana ampiasaina. Raha azo atao dia tsara ny mampiasa « onduleur » na « stabilisateur ». Tsara raha misy fanamarinana isan-taona ny « installation & équipements électriques ».

Lire la suite

Articles Similaires