• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Bianca Au Naturel
Image
DYI

Torohevitra hiadiana amin’ny arafesina

06/08/2024 14:53 © Moov.Mg

Rehefa mandeha ny fotoana dia mety ho lasa arafesina ireo fitaovana vy ao an-trano. Sady manaratsy endrika no mety manimba ireo fitaovana ireo izany. Ahoana ary ny fomba atao hisorohana sy hanesorana ny arafesina ?

Ny fomba atao hiarovana ny fitaovana vy tsy ho arafesina

Mba hiarovana ireo fitaovana vy tsy ho arafesina dia mila arovana amin’ny hamandoana arak’izay azo atao izy ireny. Ho an’ireo fitaovana ao an-tokontany dia mila saromana labasy izy ireo tsy ho tratry ny orana sy ny fanala. Ho an’ireo fitaovana ao an-trano kosa dia hamainina tsara izay vao ampirimina anatin’ireny « placard » na toerana mihidy tsy azon’andro ireny. Tsara ihany koa raha asiana vary manta kely anatin’ireny « placard » ireny mba hitroka ny hamandoana mety maha araferisana ireo fitaovana vy toy ny vilany, lapoaly, sotro…

Ireo akora ampiasaina amin’ny fanesorana ny arafesina

Efa maro ireo vokatra manokana amidy eny an-tsena hanesorana ny arafesina amin’ireo fitaovana vy isan-karazany. Matetika nefa dia mitahiry akora simika ireny karazana vokatra ireny. Ireto ary misy akora natoraly mandaitra azo ampiasaina :

Ny vinaigitra fotsy

Manampy betsaka amin’ny fanadiovana sy ny fanesorana ny arafesina ny vinaigitra fotsy. Alona anaty vinaigitra fotsy mandritra ny ora maro ilay fitaovana arafesina avy eo kosehana amin’ny borosy malefaka. Rehefa vita dia sasana amin’ny rano sy savony dia hamainina tsara.

Ny voasary makirana

Ny « acide citrique » hita ao anatin’ny voasary makirana dia mandaitra amin’ny fanalana ny arafesina amin’ny fitaovana vy. Marihana fa ny arafesina mbola kelikely sy vao manomboka no tsara ampiasana azy ity. Kosehana amin’ny silaka voasary makirana izany avy eo rarahana vovon-tsira. Avela hiasa mandritra ny minitra vitsy avy eo kobanina.

Ny ovy

Raha mbola tsy matevina sy mihitatra be ny arafesina amin’ny fitaovana vy dia azo ampiasana hanesorana izany ihany koa ny ovy. Zaraina roa ny ovy ary ny silany iny no hikosehana ilay faritra arafesina. Manala ity farany ny « amidon » amin’ny ovy. Rehefa vita dia sasana.

Lire la suite

Articles Similaires