• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Rtbf
Image
DYI

Torohevitra hikarakarana sy hikolokoloana ny volo olioly

02/08/2024 16:02 © Moov.Mg

Maro ireo hevitra diso re mikasika ny volo olioly. Heverina fa sarotra bangoina, matevina loatra sy tsy mety milamina izy ireny. Ny marina nefa dia matetika maina sy mora simba ireny karazam-bolo ireny ka mila fikarakarana tsara mba ahasalama sy milamina azy. Ahoana ary ny fomba atao hikarakarana sy hikolokoloana ny volo olioly.

Homena rano tsara ny volo olioly

Ny tsy fahampiana rano na « hydratation » no olana lehibe amin’ny volo olioly. Ny vahaolana voalohany amin’izany dia ny fampiasana « shampoing » sy « après-shampoing » mitahiry menaka zavamaniry na manankarena « kératine ». Tsara ihany koa raha manao « masque » matetika amin’ny menaka zavamaniry toy ny diloilo coco, vahona, kinana… Avela hilona ora 1 vao manasa loha. Tandremana koa mba tsy osorana zavatra be loatra mety hanavesatra azy ny volo.

Tandremana tsara rehefa manamaina ny volo

Mba ahafahan’ny singam-bolo mandray ny hamandoana (humidité) rehefa avy sasana dia tsara raha « serviette microfibre » no ampiasaina hanamainana azy. Fadiana ny mikosoka ny volo amin’ny lamba na serveta rehefa manamaina azy. Raha tsy manana « serviette microfibre » dia ireny « papier de cuisine » mitroka hamandoana ireny no ampiasaina. Raha ampiasa « sèche-cheveux » dia rivotra farany ambany indrindra ny hafanany no safidiana.

Bangoina mando ny volo olioly

Mora simba sy vakivaky kokoa ny volo olioly raha oharina amin’ny volo malama. Noho izany dia mila fahaizana sy fitandremana ny fikarakarana azy ireny. Anisan’izany ohatra ny fandraotana ny volo mandritra izy mando avy nosasana iny. Mora afaka tokoa mantsy ireo miraikitra raha lena ny volo olioly no bangoina. Mba hahamora ny fibangoana azy dia zaraina roa na efatra ny volo ary raotina tsikelikely. Avy any amin’ny tahony no bangoina voalohany dia miakatra tsikelikely mankany amin’ny fotony. Rehefa vita izay dia osorana « sérum » na menaka kely mba hampangirana azy sy tsy mora miraikitra intsony.

Tsy tsara mampiasa hafanana amin’ny volo

Fadiana na ferana arak’izay azo atao ny fampiasana fitaovana mampiasa hafanana eo amin’ny volo, toy ny « brushing » sy ny « fer à lisser » na ny « fer à boucler ». Rehefa tratry ny hafanan’izy ireny ny volo olioly dia vao maika lasa mora maina. Raha tsy maintsy hampiasa ireny fitaovana ireny dia tsy atao mamay be fa atao antonony ny hafanany. Tsara ihany koa raha mampiasa vokatra miaro ny volo amin’ny hafanana vao manatsotra na mampiolana volo amin’ireny karazana fitaovana ireny. Ankehitriny moa efa maro ireo fomba atao hampiolakolana ny volo tsy mampiasa hafanana hita eto amin’ny aterineto. Sady mandaitra izy ireny no tsy manimba ny volo olioly.

Lire la suite

Articles Similaires