• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Le Vert
Image
DYI

Ireo azo ampiasana ny akoran’atody ao an-trano

01/08/2024 16:39 © Moov.Mg

Isan’ireo akora natoraly azo ampiasaina amin’ny fikarakarana samihafa ny ao an-trano sy ny ao an-jaridaina ny akoran’atody. Efa maro moa no mametraka azy ireny eny amin’ny fototry ny voninkazo eny. Fa inona avokoa ary ireo azo ampiasana ny akoran’atody ao an-trano ?

Manatsara ny kalitaon’ny tany hambolena

Ho an’ireo tia mampiasa vokatra natoraly amin’ny fikarakarana ny zaridaina dia manampy betsaka amin’izany ny akoran’atody. Tehirizina tsara ireo akoran’atody avy nampiasaina ka rehefa betsaka dia miaraka totoina. Tsy atao lasa vovony akory fa rehefa potipotika dia mety. Ireo akoran’atody ireo no afafy eo amin’ny fototry ny voninkazo, hazo fihinam-boa… Rehefa mihalevona ireo akoran’atody ireo dia manatsara ny fitrohan’ny tany ny rano sady mamoaka mineraly ilain’ireo voly tsikelikely.

Omena ny akoho

Ho an’ireo miompy akoho gasy dia tsara raha omena ireny akoran’atody ireny ireto farany mba hahazoana atody salama sy mafy tsara. Ny akoran’atody tokoa mantsy dia manankarena kalsioma. Tsotra ny fampiasana azy. Atapy amin’ny toerana malomaloka mba ho maina ireo akoran’atody avy eo potehina. Rehefa vita izay dia atsofoka anaty lafaoro amin’ny hafanana 140°C mandritra ny 10 minitra eo ho eo. Avela hangatsiaka ary io potika akoran’atody io no omena ny akoho, atao anaty fitoerana sakafony.

Hanamboarana « dentifrice » natoraly

Isan’ireo akora natoraly azo ampiasaina amin’ny fanamboarana « dentifrice » vita ao an-trano ny akoran’atody. Ahamainina ao anaty lafaoro ny akoran’atody avy eo potehina anaty « mixeur » ho lasa vovony. Alaina ny vovoka akoran’atody 1 kaopy ary afangaro amin’ny karibonetra 1 sotro fihinanana, diloilo coco ranony 2 sotro fihinanana ary jirofo vovony 1g. Atao mifangaro tsara ireo akora rehetra. Sady manadio nify izy ity no mahafotsy ny nify.

Lire la suite

Articles Similaires