• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Planète Zéro Déchet
Image
DYI

Fomba fanamboarana « gel douche » natoraly ao an-trano

31/07/2024 10:34 © Moov.Mg

Maro amintsika no mankafy mandro amin’ny « gel douche ». Maro karazany moa ireo vokatra efa vonona ampiasaina hita eny amin’ny mpivarotra eny. Ny ankamaroan’ireo vokatra ireo nefa dia mitahiry singa simika mety hiteraka vokadratsy eo amin’ny hoditra. Atoro eto ary ny fomba fanamboarana « gel douche » vita amin’ny akora natoraly ao an-trano.

Ireo zavatra ilaina

-Rano 500 ml ;
-Savony vita amin’ny akora natoraly ;
-Menaka oliva 2 sotrokely ;
-Huile essentielle 2 mitete hanomezana hanitra azy.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy

Kikisana atao manify ny savony vita amin’ny akora natoraly. Afaka amboarina ao an-trano ity karazana savony ity na misafidy vokatra natoraly azo antoka toy ny « savon de Marseille ». Tsara raha savony efa misy « glycérine végétale » no ampiasaina.
Afanaina ny rano ary rehefa mahamay dia arotsaka ao ny savony voakiky 2 sotro fihinanana. Aroharoana tsara mba ahazoana fangaro mitambatra tsara.
Rehefa vita izay dia arotsaka ny menaka oliva ary tohizana aroharoana hatrany. Rehefa tsy hita miavaka intsony ny menaka dia arotsaka indray ny huile essentielle. Tsara raha huile essentielle manana hanitra tsara no safidiana, toy ny huile essentielle d’Ylang Ylang, Jasmin na Lavande ohatra.
Rehefa mangatsiaka dia afindra anaty tavoahangy madio tsara sy misarona tsara. Afaka tehirizina hatramin’ny 2 herinandro.

Fanamarihana

Satria nampiasa rano tamin’ny fikararakana ity « gel douche » natoraly ity dia mety ho mora hidiran’ny mikraoba na bakteria izy ity. Mba hisorohana izany dia tandremana mba atao madio tsara ny tanana sy ny fitaovana ampiasaina amin’ny fanaovana azy sy ny fitehirizana azy.

Lire la suite

Articles Similaires