• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Détente Jardin
Image
DYI

Lavenona : afaka ampiasana amin’ny zavatra maro ao an-trano

30/07/2024 15:38 © Moov.Mg

Isan’ireo zavatra fahita amin’ny andavanandro ny lavenona azo amin’ny fandoroana hazo na saribao. Matetika moa izy ireny dia ariantsika fotsiny satria tsy hita izay ilaina azy. Marihana nefa fa dia akora natoraly afaka ampiasaina amin’ny zavatra maro ao an-trano izy ireny. Araho eto ary santionany amin’izany.

Manampy amin’ny fikarakarana ny zaridaina ny lavenona

Ny lavenona azo avy amin’ny fandoroana hazo dia mitahiry « calcium », « potassium », « magnésium » ary « oligo-éléments » maro hafa. Arak’izany dia azo ampiasaina atao zezika natoraly hikarakarana ireo zavamaniry eo an-jaridaina izy io. Ankoatra izay dia mampitombo ny « pH » ny tany ny lavenona no izy manana toetra « alcaline ». Maro ny karazana voninkazo vanona amin’ny tany ambony « pH ». Ankoatra izay moa dia mampitsoaka ireo bibikely manimba ny voly izy io. Tsotra ny fampiasana azy : rarahana lavenona eo amin’ny manodidina ny zavamaniry ka tsy hanantona eo ny biby toy ny sifotra sy ny lailosy.

Mandaitra amin’ny fanadiovana isan-karazany ao an-trano

Afaka ampiasaina amin’ny fanadiovana isan-karazany ao an-trano ihany koa ny lavenona. Isan’ireo akora ampiasaina amin’ny famokarana savony sy vokatra fanadiovana ihany koa moa izy io. Ankoatra izay moa dia tsy misy singa simika ao anatin’ny lavenona ka azo ampiasaina tsara amin’ny andavanandro izy io amin’ny fanasana lovia, lamba, fitaratra… Mikasika ny fampiasana azy : afangaro ny lavenona 4 vera sy rano 2 litatra. Avela hilona mandritra ny 24 ora ary aroharoana matetika. Avy eo tatavanina amin’ny lamba mba hiala ireo faikan’ny lavenona. Io fangaro io no ampiasaina amin’ny fanadiovana ao an-trano.

Lire la suite

Articles Similaires