• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © La Belle Adresse
Image
DYI

Sira : maro no azo ampiasana azy ao an-tokantrano

29/07/2024 15:15 © Moov.Mg

Efa tsy zoviana amintsika intsony ny asan’ny sira amin’ny fikarakarana sakafo. Mbola maro kosa nefa no tsy mahafantatra fa mbola azo ampiasaina amin’ny zavatra maro hafa ao an-tokantrano ao ihany koa izy io. Araho eto ary ny santionany amin’ireo azo ampiasana ny sira ao an-trano.

Fitahirizana ny sakafo mba tsy ho mora simba

Fomba fitahirizana sakafo efa nisy hatry ny ela ny « salaison » na ny « salage ». Izany hoe alona anaty sira ireo sakafo heverina fa mora simba na mora masiso mba ahafana mitahiry izany ela kokoa. Amin’ny ankapobeny dia ny hena manta sy ny trondro manta no tena ampiasana azy io. Tsotra ny fanaovana azy. Alona anaty sira amin’ny fatrany 15% ny lanjany ilay sakafo hotahirizina. Izany dia mba hanesorana ny hamandoan’ilay sakafo sy mba tsy hampisy bakteria ao aminy.

Manampy amin’ny fikolokoloana ny lamba tsy ho mora vasoka

Efa maro no mampiasa ny sira amin’ny fikolokoloana ny lamba tsy ho mora vasoka. Ity akora natoraly ity dia mandaitra amin’ny fitazomana ny lokon’ny lamba mba tsy ho mora miala rehefa sasana. Ka noho izany, rehefa alohan’ny hanasa voalohany ny akanjo vaovao, indrindra ireo izay miloko marevaka, dia tsara aloha raha lomana anaty rano matimaty iray koveta nasiana sira 5 sotro fihinanana. Avela hipetraka 30 minitra izay vao sasana toy ny mahazatra.

Fanadiovana fitaovana ao an-trano

Ho an’ireo mankafy mampiasa zavatra natoraly amin’ny fanadiovana ao an-trano dia akora natoraly azo itokisana ny sira. Mandaitra indrindra izy io amin’ny famotsiana ireo « robinets » ao amin’ny trano fidiovana sy ao an-dakozia. Mba hanesorana ny tasy sy ireo « calcaire » miraikitra amin’izy ireny dia maka rano mafana nasiana sira ary io no hanadiovana azy ireny. Azo ampiasaina ihany koa ny sira nafangaro karibonetra sy rano mafana hanesorana ny tsentsina anaty « évier » ao an-dakozia. Sady miady amin’ny fofona ratsy izany no manala ny menaka miraikitra anaty fantsona ka manentsina izany.

Lire la suite

Articles Similaires