• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Rentokil
Image
DYI

Torohevitra hiadiana amin’ny takola fanenitra

25/07/2024 14:56 © Moov.Mg

Isan’ireo bibikely atahorana tokoa ny takola fanenitra noho izy ireny misy fanjaitra mitahiry poizina ka miteraka fanaintainana mafy raha sendra voantsindrony. Mety mahatonga fahasarotana mihintsy ary moa ny voatsindron’ny takola eo amin’ny olona sasany izay tsy mahazaka izany. Ireto ary misy torohevitra hiadiana amin’ny takola fanenitra mba tsy hitoeran’izy ireo manodidina ny trano.

Mandoro akora natoraly tsy tian’ny takola fanenitra

Isan’ny fomba voalohany hanakanana ny takola fanenitra tsy hanantona manodidina ny trano ny fandoroana ireo akora natoraly tsy zakan’izy ireny. Anisan’izany akora natoraly mandroaka ny takola fanenitra izany ny kafe sy ny veromanitra. Tsotra ny fanaovana izany, atao anaty lovia kely vy ny kafe maina tsara ary dorana. Somary mahery ny fofon’izy ity ka eo amin’ny lavarangana no tsara ametrahana azy. Ny veromanitra namainina kosa afaka dorana anaty lovia kely ao an-trano, apetraka eo ambony latabatra hanakanana ireo takola tsy hiditra sy hanorim-ponenana ao.

Mampiasa jirofo handroahana ny takola

Ny jirofo dia akora natoraly mitondra vokatsoa ara-pahasalamana maro. Noho izy manana fofona somary mahery dia azo ampiasaina handroahana ny takola fanenitra tsy hanantona ao an-trano ihany koa izy io. Misy fomba roa azo ampiasana azy. Ny voalohany dia ny fametrahana ny jirofo voatoto ao anaty bols kely. Ireto farany no apetraka eo ambony latabatra na akaikin’ny varavarankely mba tsy hidiran’ny takola ao an-trano. Ny fomba faharoa azo atao dia ny manatsatoka jirofo amin’ny voasary na voasary makirana. Avy eo ireo voasary ireo no apetraka amin’ny toerana ahitana takola ao an-trano.

Esorina ny tranon’ny takola

Raha toa ka ahitana takola fanenetra maro ao an-trano na eo an-tokontany dia midika izany fa mety misy tranony ao akaiky ao. Mila fitandremana ny fanesorana ny tranon’izy ireny satria mety hanenjika sy hanindrona ireo bibikely ireo. Tsara izany raha manao fiarovana toy ny satroka, fonon-tanana, akanjo lava-tanana sy pataloha alohan’ny hanombohana. Arahana ny lalan’ny takola ahitana ny tranony. Rehefa hita izany dia endrasana alina ny andro avy eo tsifirina « insecticide » miady amin’ny takola io tranony io. Tohizana isanandro izany mandrapialan’ny takola rehetra avy eo esorina amin’izay ilay tranony iny.

Lire la suite

Articles Similaires