• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Simplement Claire
Image
DYI

Fikafika mandaitra manafotsy ny hoho

22/07/2024 15:43 © Moov.Mg

Manatsara ny endriky ny tanana ny manalava hoho. Tsy mivoaka kosa nefa ny endriky ny hoho lava raha toa ka mavomavo sy toy ny maloto izy ireny. Ireto ary misy fikafika tsotra manafotsy ny hoho azo atao.

Ireo antony mahatonga ny hoho ho lasa mavo

Alohan’ny hizarana ireo torohevitra manafotsy ny hoho dia andeha aloha fantarina ireo antony lehibe mety mahatonga ny hoho ho lasa mavo. Misy fotoana tokoa mantsy na dia efa diovina tsara aza ireo hoho dia mbola tsy mety ho fotsy ihany. Anisan’ireo antony mahatonga ny hoho ho mavo ny fifohana sigara, ny rarintsaina, ny fikasokasohana amin’ny vokatra simika, ny fanaovana vernis tsy mampiasa « base coat » miaro azy… Ahoana ary ny atao hampiverina ho fotsy ny hoho ?

Osorana ranona voasary makirana ny hoho

Ny voasary makirana dia akora natoraly « purifiante » sady « nettoyante ». Izany hoe manana fomba fiasa manadio. Azo ampiasaina tsara noho izany izy ireny hanadiovana ny hoho sy mba hanafotsy izany. Tsotra ny fampiasana azy. Zaraina roa ny voasary makirana ary kosehana amin’izany ny hoho efa avy nosasana tsara. Avela hipetraka kely mandritra ny 5 minitra avy eo alona kely 10 minitra ao anaty rano matimaty nasiana ranona voasary makirana sy menaka oliva kely hanamandina ny hoho. Atao indroa isan-kerinandro izany mba ahazoana vokatra tsara.

Mampiasa karibonetra

Isan’ireo akora natoraly manampy betsaka hanafotsiana ny hoho ihany koa karibonetra. Manampy amin’ny famerenana ny lokon’ny hoho izay lasa mavo izy io. Misy fomba roa azo ampiasana azy. Ny voalohany dia ny fikosehana ny hoho amin’ny borosy nify nolemana kely sy norarahana karibonetra. Rehefa avy nokosehana tsara ny hoho dia kobanina amin’ny rano. Ny fomba faharoa fampiasana azy dia afangaro ny karibonetra sy ny rano kely. Atao somary marihitra ny fangaro ary io no hikosehana ny hoho. Aorian’izay dia alona kely anaty rano matimaty nasiana karibonetra ny hoho avy eo kobanina rano tsotra. Atao indroa isan-kerinandro.

Kolokoloina tsara ny hoho

Mila karakaraina sy kolokoloina hatrany ny hoho mba ho salama tsara sy hiarovana azy tsy ho lasa mavo sy mora tapaka. Tsara izany raha diovina madio mandrakariva ny hoho ary osorana menaka manamandina sy manome sakafo azy. Azo atao ohatra ny mampiasa « huile de ricin » na mampiasa menaka oliva nasiana vitamina E kely. Mety ihany koa raha avela hiaina kely tsy asiana vernis ny hoho fa tsy vao esorina ny eo dia hosorana vaovao indray. Tsy tokony avela hijanona mihoatra ny roa herinandro ny vernis fa manimba ny hoho izany.

Lire la suite

Articles Similaires