• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Youtube
Image
DYI

Torohevitra tsy hankarary ny tongotra rehefa manao kiraro avo na « talons »

16/07/2024 15:10 © Moov.Mg

Maro ny vehivavy mankafy manao kiraro avo na kiraro « talons » hoy isika. Misy ihany koa ireo voatery manao azy ireny noho ny antony samihafa, toy ny ara-kasa. Matetika nefa dia mamizaka ary manaikitra sy mankarary tongotra ny manao azy ireny, indrindra mandritra ny fotoana maharitra. Ireto ary misy torohevitra vitsivitsy mba tsy hankarary ny tongotra rehefa manao kiraro avo.

Atambatra amin’ny « scotch » ny rantsan-tongotra

Isan’ireo fikafika mora atao nefa mandaitra mba tsy hankarary ny tongotra rehefa manao kiraro avo ny fanambarana ny rantsan-tongotra amin’ny « scotch ». Raha ny marina kokoa dia ny rantsan-tongotra faha 3 sy faha 4 no atambatra mba hampitoniana ny « nerf » izay miasa be rehefa mandeha amin’ny kiraro avo ny tongotra. Azo soloina « sparadrap » moa ny « scotch » raha sendra tsy misy ao an-trano.

Folahana ao an-trano ny kiraro avo

Matetika moa dia ny kiraro avo vaovao na ireo tsy anaovana matetika no tena mamizaka sy mankarary tongotra rehefa entina mivoaka. Mba hisorohana izany fijaliana izany dia mila folahana ao an-trano aloha ireny kiraro be « talons » ireny vao entina mivoaka. Izany hoe anaovana ao an-trano mandritra ny adiny 1 ora isan’andro mandrapa folak’ilay kiraro sy zatra ny tongotra.

Safidiana tsara ny akora (matière) ny kiraro

Ny hamandoana no isan’ny mahatonga ny fifampikasohana amin’ny tongotra sy ny kiraro avo ka mahatonga ity farana hanaikitra sy hampisy poa-drano amin’ny tongotra. Mba tsy hankarary ny tongotra rehefa manao kiraro avo dia fadiana ireo akora « synthétiques » izay mora mahatsemboka ny tongotra. Tsara raha kiraro « cuir » no safidiana. Sady malefaka ity akora ity no mora manaraka ny endriky ny tongotra.

Asiana « talc » anatin’ny kiraro

Raha tsy nahatohatra ka nividy kiraro avo « synthétique » ihany dia manampy hisorohana ny hamandoana mampanaikitra kiraro ny fampiasana « talc ». Tsotra ny fampiasana izany, rarahana « talc » ao anatin’ny kiraro, indrindra eo amin’ireo faritra atahorana hanaikitra. Mitroka ny hamandoana ary manakana ny tongotra tsy ho mora tsemboka izy io.

Lire la suite

Articles Similaires