• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Interco.Fr
Image
DYI

Fikarakarana volo : ireo akora natoraly hanalana ny angadrano

15/07/2024 09:38 © Moov.Mg

Isan’ireo olona tsy mety afaka angadrano ve ianao ? Tsy te hampiasa vokatra fanalana angadrano misy singa simika ? Ireto atoro manaraka ireto ary ireo akora natoraly manampy amin’ny fanesorana angadrano afaka ampiasaina amin’ny andavanandro ary tsy atahorana hisy vokadratsy.

Ny « vinaigre de cidre »

Akora natoraly afaka ampiasaina amin’ny karazam-bolo rehetra ny « vinaigre de cidre ». Ny « acidité » ao aminy dia afaka manova ny pH ny hodi-doha ary manala ireo loto mipetaka eo aminy ka anisan’izany ny angadrano. Ny fampiasana ity karazana vinaigitra ity dia manakana ny angadrano tsy hitombo ary mamono ireo bakteria mampangidihidy ny loha.
Tsotra ny fampiasana azy. Afangaro ny « vinaigre de cidre » sy ny rano mitovy fatra, 1 vera avy ohatra. Aroharoana hifangaro ary io fangaro io no hararaha eo amin’ny volo, atao mahazo ny hodi-doha. Orina mandritra ny 3 minitra eo ny hodi-doha ary avela hilona mandritra ny ora 1. Rehefa vita izay dia sasana toy ny mahazatra ny volo. Atao indroa isan-kerinandro mba ahazoana vokatra.

Ny sira

Isan’ireo akora natoraly manampy amin’ny fikarakarana ny volo ny sira noho izy sady « exfoliant » no mandritra ny famokarana « sébum ». Ny fampiasana azy dia manampy amin’ny fikosehana mora ny hodi-doha mba hanesorana ny angadrano. Misy fomba roa azo ampiasana azy.
Ny voalohany dia araraka eo amin’ny loha avy hatrany ny vovon-tsira ary io no hikosehana moramora ny hodi-doha. Avela hijanona kely 5 minitra dia sasana ny volo. Ny fomba faharoa azo atao dia ny fanafangaroana ny vovon-tsira iray tanana anaty rano tapaky ny vera. Io fangaro io no araraka eo amin’ny loha ary hikosehana ny hodi-doha mandritra ny 5 minitra. Avela hilona 10 minitra avy eo sasana toy ny mahazatra.

Ny tongolo gasy

Ny tongolo gasy dia isan’ireo akora natoraly manana fomba fiasa atao hoe « antifongique ». Izany hoe afaka miady amin’ny « champignons », « mycose » na koa ireo bakteria fahita eo amin’ny hoditra. Arak’izany dia mandaitra amin’ny famonoana ny bakteria mamokatra ny angadrano ihany koa izy io.
Totoina ny tongolo gasy ary ahosotra eo amin’ny hodi-doha. Avela hiasa mandritra ny ora 1 eo ho eo avy eo sasana toy ny mahazatra ny volo. Raha manana menaka oliva dia afangaro amin’izany ny tongolo gasy voatoto izay vao ahosotra amin’ny hodi-doha. Manampy amin’ny fiadiana amin’ny angadrano ihany koa mantsy ny menaka oliva.

Lire la suite

Articles Similaires