• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Toutvert
Image
DYI

Fomba fanamboarana « lait » ho an’ny volo

12/07/2024 11:50 © Moov.Mg

Rehefa ririnina toy izao dia mora makiana sy tapatapaka ny volo. Mba hiarovana azy tsy ho simba dia mila omena rano sy sakafo tsara ny volo. Manampy betsaka amin’izany ny fampiasana « lait » ho an’ny volo na « lait capillaire ». Azo amboarina ao an-trano moa izy io ka araho eto ary ny fanaovana izany.

Ireo zavatra ilaina raha hanao « lait » ho an’ny volo

-« Graine de lin » 4 sotro fihinanana ;
-Rano 1 vera ;
-Huile de jojoba 1 sotro fihinanana ;
-Huile d’amande douce 1 sotro fihinanana ;
-Huile de ricin 1 sotro fihinanana ;
-« Glycérine végétale » 1 sotrokely ;
-Vitamine E.

Fomba fikarakarana azy

Afangaro anaty vilany ny rano 1 vera sy ny « graine de lin ». Ataingina ambony afo amin’ny hafanana antonony ary avela mangotraka tsara. Rehefa mihamatevina araka ny ilaina azy dia esorina eo ambony afo ary tsihifina ahazoana ilay dintiny (gel).
Tsy endrasana mangatsiaka fa tonga dia arotsaka ao ny huile de jojoba, ny huile d’amande douce, ny huile de ricin, ny vitamina E ary ny « glycérine végétale ». Afindra anaty « mixeur » io fangaro io ary atao mifangaro tsara mba hikambana daholo ny akora rehetra.
Endrasana hangatsitsiaka avy eo afindra anatin’ny « flacon » hitahirizana azy. Azo tehirizina mandritra ny 3 herinandro. Afaka ahosotra amin’ny volo mando na maina. Tsy mila kobanina.

Lire la suite

Articles Similaires