• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © 18H39
Image
DYI

Torohevitra hiadiana amin’ireo vitsika ao an-trano

11/07/2024 13:13 © Moov.Mg

Isan’ny zavatra manorisory tokoa ny mahita vitsika ao an-trano. Marina fa efa misy ireo karazana vokatra simika azo ampiasaina hamongorana azy ireny. Mety hisy vokadratsy ho an’ny fahasalaman’ny olona ao an-trano, indrindra ny ankizy, nefa ny fampiasana azy ireny noho izy misy singa manampoizina. Mba tsy ampiasana azy ireny dia ireto misy akora natoraly mandaitra hiadiana amin’ny vitsika azo asolo azy.

Araraka eny amin’ny tany ny tain-kafe hiadiana amin’ny vitsika

Isan’ireo akora natoraly ilaina amin’ny andavanandro ny tain-kafe. Azo ampiasaina hanaovana « gommage » ny hoditra, atao zezika, hanesorana ny fofona ratsy amin’ny fitaovana ao an-trano… ny tain-kafe. Ankoatra izay dia mbola mandaitra ihany koa izy io hiadiana amin’ny vitsika. Tsy tian’ireto bibikely ireto tokoa mantsy ny fofon’ny kafe. Ny « acidité » avoakan’ity farany dia mampitsoaka ny vitsika. Mba tsy hidiran’ny vitsika ao an-trano izany dia asiana tain-kafe anaty lovia kely eny amin’ireo faritra mety hidiran’izy ireo, toy ny eo akaikin’ny varavarana sy ny varavarankely, indrindra ny ao an-dakozia.

Tsifirina vinaigitra fotsy ny toerana fiandronan’ny vitsika

Efa tsy zoviana amin’ny rehetra ireo zavatra azo ampiasana ny vinaigitra fotsy hanadiovana ny fitaovana ao an-trano. Mitahiry singa mahery vaika hanesorana ny loto sy hanalana ny fofona ratsy isan-karazany amin’ny fitaovana ao an-trano izy io. Etsy andaniny moa dia mamoaka fofona mahery tsy zaka sy tsy tian’ny vitsika ity akora natoraly ity. Raha te handroaka ny vitsika ao an-trano dia atao anatin’ny tavoahangy « vaporisateur » ny vinaigitra fotsy notapohana rano mafana kely. Io fangaro io no atsifitra eo amin’ny toerana manintona ny vitsika ao an-trano mba hamonoana sy handroahana ireto farany.

Mampiasa « cannelle » hampitsoahana ny vitsika

Karazana episy iray mora hita eny an-tsena eny ny « cannelle ». Mamoaka fofona mahery ary manana tsiro somary masitsiaka izay izy ity. Noho ireo antony roa lehibe ireo dia tena alan’ny vitsika tokoa izany ny « cannelle » ka azo ampiasaina hanakanana ny fidiran’izy ireo ao an-trano. Raha tsy misy ankizy kely ao an-trano dia ilay tahona « cannelle » iny no apetraka eny amin’ny toerana fidiran’ny vitsika ao an-trano. Raha misy ankizy kosa dia aleo mampiasa vovoka « cannelle » tapohana rano mafana ka io no hatsifitra amin’ireo faritra fiandronana sy fidiran’ny vitsika. Mbola mandaitra kokoa io fangaro io raha tapohana tahona jirofo kely. Ahontsana hifangaro tsara vao ampiasaina.

Lire la suite

Articles Similaires