• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ohmymag
Image
DYI

Ireo torohevitra mandaitra mampaniry haingana ny hoho

11/07/2024 10:19 © Moov.Mg

Manome endrika ny tanana ny hoho madio sy voakarakara tsara. Maro ireo vehivavy mba te hanalava azy ireny nefa na ireo hoho sarotra maniry na mora tapaka. Ireto ary misy torohevitra mandaitra ahafahana mampaniry haingana kokoa ny hoho.

Mampiasa ranona tongolo gasy hampaniry haingana ny hoho

Ny tongolo gasy dia akora natoraly manankarena vitamina sy mineraly. Maro ireo vokatsoa entiny eo amin’ny vatana sy ny fahasalamana ka anisan’izany ny fandrisihana ny fikorihan’ny rà. Manampy amin’ny fampaniriana haingana ny hoho ihany koa izy io. Tsotra ny fampiasana azy. Kikisana atao madinika ny tongolo gasy ary alaina ny ranony. Io ranony io no ahosotra amin’ny hoho isak’alina. Tsara raha atao anaty fitoerana « vernis » efa lany sy nodiovina tsara tamin’ny vinaigitra fotsy. Ilay fanosorana « vernis » iny avy eo no hanosoronana ilay ranona tongolo gasy amin’ny hoho. Mila atao isan’andro tsy tapaka mba ahazoana vokatra malaky.

Horina amin’ny menaka kinana

Manafaingana ny fanirian’ny hoho ny fanorana izany amin’ny menaka kinana. Ity menaka zavamaniry ity dia mandaitra amin’ny fampanirianana ny volo, ny volomaso ary indrindra koa ny hoho. « Antioxydant » matanjaka tokoa mantsy izy io ka miasa betsaka amin’ny fanatsarana sy amin’ny fampaniriana ny hoho. Afangaro ny menaka kinana sy ny ranona voasary makirana ary lomana ao anatin’io fangaro io mandritra ny 15 minitra ny hoho. Rehefa vita izay dia horina kely mandritra ny 5 minitra ny hoho izay vao sasana. Atao in-telo na in-efatra isan-kerinandro izany mba ahazoana vokatra tsara. Sady mampalava hoho no mahamafy azy ny menaka kinana.

Mihinana sakafo voalanjalanja sy ara-pahasalamana

Misy fiantraikany eo amin’ny fahasalaman’ny vatana iray manontolo ny sakafo hoanintsika isan’andro. Arak’izany dia miantoka betsaka amin’ny faniriana sy ny fahamafisan’ny hoho ihany koa izany. Rehefa salama tsara ny hoho dia mora maniry sy tsy mora tapaka. Raha sarotra maniry izany ireto farany dia mila amboarina ny fomba fisakafoanana. Ezahana arak’izay azo atao ny mihinana sakafo manankarena kalsioma sy vy. Anisan’ireo sakafo tsara hoanina matetika ny atody, « saumon », « épinards », hena mena, legioma maitso, vokatra avy amin’ny ronono…

Lire la suite

Articles Similaires