• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Euro-Tourisme
Image
DYI

Mpitondra fiara : torohevitra manampy hitsitsiana ny solika

10/07/2024 10:32 © Moov.Mg

Isan’ny fandaniana mavesatra indrindra hoan’ny mpitondra fiara ny solika. Satria moa tsy afa-manoatra amin’ny vidin’izy ireny dia ny fampihenana ny fandaniana no mila ezahana. Ireto ary misy torohevitra sy fahazarana vitsivitsy ho an’ny mpitondra fiara mba hitsitsiana ny solika.

Miezaka tsy manovaova ny hafainganam-pandeha

Tsara hatrany ny mitondra fiara am-pitoniana sy tsy taitaitra. Rehefa mandeha amin’ny lalana malalaka dia ezahana tsy ovaovaina ny hafainganam-pandeha. Izany hoe tsy mandeha mafy be tampoka sy mijanona tampoka. Mandany solika be tokoa mantsy izany fahazarana izany. Raha handeha hanao « voyage » dia tsara raha mampiasa ny « limitateur de vitesse » raha misy io « option » io ny fiara. Izany dia mba hisorohana ny fandehanana mafy be tampoka izay tena mandany solika.

Mifantoka tsara mba hisorohana ny fijanonana tampoka

Tsy azo atao tsirambina ny fifantohana rehefa mitondra fiara satria sady miaro amin’ny lozam-pifamoivozana izany no manampy amin’ny fitsitsiana ny solika. Rehefa mifantoka tsara dia afaka mahita mialoha hoe mila mampidina hafainganam-pandeha na mila mijanona. Izany hoe jerena tsara ny ataon’ny fiara eo aloha sy ny mety ho sakatsakana eny amin’ny arabe. Amin’izay afaka mijanona tsikelikely fa tsy tonga dia manitsaka hisatra tampoka. Toy ny fandehanana mafy tampoka dia mandany solika be ihany koa ny fijanonana tampoka.

Karakaraina tsara ny fiara

Ny ankamaroan’ny fiara mihinana solika be tsy ara-dalàna dia ireo ratsy karakara. Mila jerena hatrany ireo mety ho tsy fahatomombanana na fahasimban’ny fiara mba hanamboarana izany ara-potoana. Anisan’ireo kojakoja amin’ny fiara mety mampihinan-dasantsy azy raha sendra simba ny « filtre à air », ny « filtre à huile » ary ny kodiarana. Ankoatra izay moa dia tsy adinoina ny fikojakojana samihafa mila atao matetika, toy ny fijerena ny motera, ny fanovana ny menaka, ny fanalana ny loto amin’ny « bougies »…

Lanjalanjaina ny fampiasana « climatisation »

Mila lanjalanjaina tsara ny fampiasana ny « climatisation » mba hitsitsiana ny solika rehefa mitondra fiara. Marina fa ilaina tokoa ny mampiasa azy io rehefa mafana be iny ny andro. Tsy tokony ampiasaina maharitra loatra kosa nefa rehefa mandeha satria mampitombo hatramin’ny 10% ny fandaniana solika izany. Raha tsy maintsy hampiasa azy io dia endrasana rehefa mandeha kely ny fiara izay vao alefa izany. Pihina kosa rehefa mijanona ny fiara.

Ferana ny vesatry ny fiara

Ferana arak’izay azo atao ny vesatry ny fiara mba hitsitsiana ny solika. Rehefa mavesatra loatra tokoa mantsy ny fiara dia mila mampiasa hery betsaka kokoa ary mazava ho azy, mandany solika kokoa. Rehefa misy dia aleha dia izay isan’ny olona zakan’ny fiara ihany no entina. Esorina ihany koa ireo entana tsy ilaina sy manavesatra ny fiara.

Lire la suite

Articles Similaires