• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Dwého
Image
DYI

Fikafika natoraly mba tsy hampiofo ny lamba

09/07/2024 09:15 © Moov.Mg

Isan’ny zavatra mampiferotr’aina tokoa ny manasa lamba na akanjo miloko marevaka noho izy ireny atahorana hiofo. Raha izay tokoa mantsy ny mitranga dia mifindra amin’ny lamba miara-sasana aminy izany loko izany. Ity ary misy torohevitra hisorohana ny lamba mba tsy hiofo rehefa sasana.

Ny zavatra ilaina

-Vinaigitra fotsy ;
-Sira vaingany ;
-Rano matimaty ;
-Koveta fanasan-damba.

Ireo dingana atao ho fampiasana izany

Asiana rano matimaty eo amin’ny antsasaky ny koveta fanasan-damba. Arotsaka ao ny vinaigitra fotsy 25 cl sy ny sira vaingany iray tanana.
Avela hilona ao anatin’io fangaro mandritra ny 30 minitra ny lamba atahorana hiofo izay ho sasana. Mety tonga dia handray be io loko io ilay rano handomana ilay lamba raha toa ka miloko matroka be ity farany. Raha izay no mitranga dia tsara raha manamboatra ilay fangaro nokarakaraina teo vaovao indray ary averina lomana ao ilay akanjo.
Somary fihazina kely tsindraindray ilay lamba ary avela arotsaka ao anatin’ilay fangaro indray mba hiditra tsara ao anatiny io fangaro natoraly tsy mampiofo azy io. Marihana fa ny lamba « jean » no tena andairan’ny sira. Raha lamba malemy toy ny « tee-shirt » dia vinaigitra fotsy 3 sotro fihinanana ny arotsaka anaty rano mangatsiaka tapaky ny koveta. Io no ampiasaina handomana ilay akanjo tsy hampiofo azy.
Rehefa avy nalona tamin’ny fangaro tsy mampiofo azy ny lamba dia kobanina tsara amin’izay ary avela hitapy andro ho maina.

Lire la suite

Articles Similaires