• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Plat Et Recette
Image
DYI

Fanamboarana « pâte à modeler » vita amin’ny akora natoraly

08/07/2024 09:46 © Moov.Mg

Isan’ny fialamboly tian’ny ankizy tokoa ny milalao « pâte à modeler ». Faly tokoa izy ireny rehefa mahavita manangana kisarisary amin’izany. Marina fa efa maro ireo « pâte à modeler » amidy eny an-tsena eny. Ho an’ireo tia mampiasa vokatra natoraly kosa nefa dia atoro eto ny fanamboarana « pâte à modeler » vita amin’ny akora natoraly ao an-trano.

Ireo zavatra ilaina raha hanao « pâte à modeler »

-Lafarina 1 kaopy ;
-Sira tapaky ny kaopy ;
-Karibonetra 2 sotrokely ;
-Menaka zavamaniry 1 sotrokely ;
-Rano mafana 1 kaopy ;
-« Colorant alimentaire » hanomezana loko azy.

Ireo dingana amin’ny fanamboarana azy

Atao anaty vilany miaraka ny lafarina, ny sira sy ny karibonetra ary atao mifangaro tsara. Arotsaka ao avy eo ny rano sy ny menaka ary ataingina ambony afo malefaka. Aroharoana amin’ny sotrobe hazo.
Tohizana aroharoana hatrany mandrapatevin’ilay fangaro. Rehefa manomboka miainga amin’ny vody vilany sy mahazo ny « consistance » ilaina dia esorina teo ambony afo. Izany hoe rehefa lasa malemilemy sy azo polesina ny « pâte » dia bataina ny vilany.
Afindra anaty « saladier » ilay « pâte » ary avela hangatsiaka. Rehefa izay dia polesina tsara amin’ny tanana mba hitambatra sy ho malama tsara.
Zaraina ahazo tapany (morceaux) betsaka araka izay habeny hitiavana azy. Ireo tapany kely ireo no asiana ny « colorant alimentaire » kely araka izay loko sy fatra hitiavana azy ary tohizana polesina hatrany mba handray ny loko.
Azo ampilalaovina ny ankizy avy hatrany ity « pâte à modeler » vita ao an-trano ity. Rehefa avy milalao dia ampirimina anaty « bocal » mihidy tsara ary apetraka anaty vata fampangatsiahana. Tsy atao azon’ny rivotra manjary lasa mafy be. Avoaka ora 1 alohan’ny hilalaovana azy indray. Azo tehirizina amam-bolana.

Lire la suite

Articles Similaires