• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Bio À La Une
Image
DYI

Fikarakarana ny hoditra sy ny volo : fanamboarana menaka karaoty

12/06/2024 10:26 © Moov.Mg

Akora iray isan’ireo fampiasa amin’ny fanamboarana vokatra lafo vidy fikarakarana ny hoditra sy ny volo ny menaka karaoty. Maro noho izany ireo vokatsoa azo avy amin’ny fampiasana azy ity amin’ny fikolokoloana ny volo sy ny hodi-tava. Raha maniry hanamboatra menaka karaoty ao an-trano dia araho ary ny fomba tsotra hikarakarana azy.

Ireo vokatsoa azo avy amin’ny menaka karaoty

Alohan’ny hanoroana ny fomba fanamboarana menaka karaoty dia tsara ny mampahafantatra ireo vokatsoa azo avy aminy. Ny karaoty dia manankarena singa iray atao hoe « bétacarotène ». Ity farany dia miaro ny hoditra amin’ny vokadratsin’ny « radicaux libres » izay mahantitra vetivety ny hoditra.
Ankoatra izay dia ahitana vitamina A, B sy C ao anatin’ny menaka karaoty ka mahatonga azy ho « antioxydants » matanjaka hikolokoloana ny volo sy ny hoditra. Manamandina, manome sakafo ary mitsabo ny volo maina sy vakivaky izy io. Mampifitsaka sy manampy amin’ny fikarakarana ny volo olioly sy ngita ihany koa ity karazana menaka natoraly ity.

Ireo zavatra ilaina raha hanamboatra menaka karaoty

-Karaoty 500 g ;
-Menaka oliva na menaka « tournesol » 50 ml ;
-« Mixeur » hitotoana ny karaoty ;
-« Bocal » ampirimana azy.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy

Voasana sy sasana tsara ny karaoty. Aorian’izay dia tetehana boribory tsy atao matevina be ne tsy atao manify loatra koa.
Mampangotraka rano, arotsaka ao ny karaoty voatetika ary avela hiketrika mandritra ny 2 minitra ny karaoty voatetika. Aorian’izay dia ajoboka avy hatrany anaty rano mangatsiaka be (glacée) avy hatrany izy ireo. Manampy amin’ny fitahirizana ny lokon’ny karaoty moa izany.
Alahatra tsirairay eo ambony « plaque de cuisson » nasiana « papier sulfurisé » ireo karaoty. Avy eo atsofoka anaty lafaoro amin’ny hafanana 60°C. Atao misokasoka ny varavaran’ny lafaoro mba hampivezivezy ny rivotra anaty lafaoro sy hampivoaka ny hamandoana mivoaka amin’ireo karaoty.
Avela eo anaty lafaoro mandritra ny ora maro mandra pahamainan’ireo karaoty. Mila atao maina tsara tokoa mantsy ireo karaoty mba tsy ho lo rehefa ampiasaina amin’ny fanaovana menaka karaoty. Avoaka anaty lafaoro ary avela hangatsiaka rehefa maina tsara.
Atao anaty « mixeur » ireo karaoty namainina ireo ary tapohana ny menaka oliva na « tournesol ». Potehina miaraka ao mandrapahazoana fangaro mitambatra tsara. Rehefa vita izay dia afindra anaty « bocal » ilay fangaro ary avela hilona mandritra ny 4 herinandro eo amin’ny toerana mangatsitsiaka sy tsy mandomando.
Rehefa tapitra ny fotoana nandomana azy dia tatavanina amin’ny lamba manify ary atao anaty « bocal ». Saromana tsara ary ampirimina anaty vata fampangatsiahana. Azo tahirizina mandritra ny 6 volana eo ho eo ity menaka karaoty natoraly ity.

Lire la suite

Articles Similaires