• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Une Hirondelle Dans Les Tiroirs
Image
DYI

Ireo dingana amin’ny fametahana temotra na « papier peint »

23/05/2024 15:29 © Moov.Mg

Miverina lamaody indray ny temotra na ny « papier peint » ankehitriny. Efa misy karazany maro ny kisarisary sy ny loko azo isafidianana eny amin’ny mpivarotra eny. Ho an’ireo maniry hanaingo ny rindrin’ny trano amin’ny temotra ary dia atoro eto ireo dingana arahana amin’ny fametahana izany.

Omanina tsara ny rindrina hametahana ny temotra

Zava-dehibe ny fanomanana ny rindrina hametahana ny temotra mba hampivoaka tsara ny endrik’izany amin’ny farany. Diovina tsara ary atao maina tsara avokoa ny rindrina. Raha misy mitriatra na goaka dia mila tsentsemana amin’ny « enduit » mifanaraka amin’izany. Ho an’ny rindrina miloko dia esorina tsara avokoa ny vovoka na ny loto rehetra mety miraikitra amin’izany. Ezahana atao malama sy mitovy tantana tsara avokoa ny rindrina.

Safidiana ny temotra na « papier peint » ampiasaina

Manan-danja tokoa ny temotra safidiana hanaingoana ny rindrina. Izay loko sy kisarisary tena tiana no vidiana satria hipetraka mandritra ny fotoana maharitra eo amin’ny rindrina izany. Mety mora hankaleo ny maso raha tsy tiana ny loko na ny kisarisariny. Etsy andaniny tsara atao mifanaraka amin’ireo fanaka sy haingon-trano efa misy ihany koa izany. Raha mifanipaka tokoa mantsy dia mety lasa misavoritaka sy ratsy endrika ny trano rehefa mipetaka ilay temotra.

Refesina ary hetezana ny temotra

Mba hamantarana ny temotra ampiasaina dia mila refesina amin’ny ahavony ireo rindrina. Ampiana 10 sm izany refy izany mba tsy ho ampy tsara. Aorian’izay dia zaraina amin’ny refin’ny sakany ny refin’ny halavana hazo. Avy eo hetezana arak’izay ny takelaky ny temotra ampiasana. Marihana fa mila zaraina takelaka maromaro ilay temotra rehefa hapetaka mba hamora ny fametahana azy.

Ahosotra ny lakaoly

Misy karazany roa moa ny temotra hita eny amin’ny mpivarotra eny. Ny karazany voalohany dia ilay temotra taloha ka eo amin’ny temotra no ahosotra ny lakaoly. Osorana amin’ny lafy ratsin’ny takelaky ny temotra izany ary tsy atao matevina be loatra. Ny karazany faharoa dia ilay atao hoe « intissé ». Ny rindrina no hosorana lakaoly. Mampiasa « rouleau » sahaza izany mba hiparitaka tsara ny lakaoly.

Apetaka ny temotra

Alohan’ny hametahana ny takelaky ny temotra efa nasiana lakaoly dia asiana tsipika mitsangana mahintsy eo amin’ny rindrina ka io tsipika io no arahana mba ampahintsy ilay takelaka. Velarina avy eny ambony ny takelaka ary somary kosehana mora amin’ny lamba na borosy avy ao ampovoany mankany amin’ny sisiny mba hivoahan’ny rivotra. Averina hatrany izany rehefa mametaka ireo takelaka temotra ambiny.

Torohevitra fanampiny

Raha azo atao dia aleo mangataka fanampiana amin’olona hafa mba hahamora ny fametahana temotra. Izany hoe tsy atao irery.
Mampiasa « cutteur » maranitra hanapahana ny temotra mandalo eo amin’ny « prises » sy ireo amin’ny sisiny.
Diovina amin’ny « éponge » mando avy hatrany ireo lakaoly mihoatra.
Avela maina tanteraka ny temotra vao atao misy rivotra mihiditra (sokafana ny varavarankely) ao amin’ilay efitra.

Lire la suite

Articles Similaires