• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Astuces Bricolage
Image
DYI

Fiadiana amin’ny fofona ratsy mivoaka amin’ny fantsona (canalisations)

22/05/2024 13:59 © Moov.Mg

Misy fofona ratsy be ve miakatra avy ao amin’ny trano fidiovana na avy ao an-dakozia ? Matetika dia avy amin’ny fantsona na « canalisations » izany. Ny loto miandrona avy eo amin’ny fandroana, fanasana tanana, fanasana lovia… ao amin’ny fantsona no mamoaka izany fofona izany. Ireto ary misy fikafika tsotra hiadiana amin’ny fofona ratsy mivoaka amin’ny fantsona.

Diovina amin’ny vinaigitra fotsy ny fantsona

Fomba iray mandaitra hiadiana amin’ny fofona ratsy mivoaka avy amin’ny fantsona ao fidiovana sy ao amin’ny lakozia ny fanadiovana izany amin’ny vinaigitra fotsy. Ity akora iray ity dia manala ireo loto miraikitra anatin’ny fantsona. Tsotra ny fampiasana azy. Rarahana vinaigitra fotsy iray vera avy eo amin’ny fanasana tanana, fandroana sy ny fanasana lovia. Avela hiasa mandritra ny ora avy eo rarahana rano mangotraka.

Esorina amin’ny karibonetra ny fofona ratsy

Akora efa fampiasantsika amin’ny fiadiana amin’ny fofona ratsy ny karibonetra. Mbola mandaitra ihany koa izy io amin’ny fanesorana ny fofona ratsy avy avy ao amin’ny fantsona. Rarahana karibonetra 1 sotro fihinanana, sira vaingany 1 sotro fihinanana ary vinaigitra fotsy 2 sotro fihinanana ao anatin’ny fantsona avy ao amin’ny trano fidiovana sy ny lakozia. Avela hilona mandritra ny ora maromaro avy eo rarahana rano mangotraka 1 litatra.

Esorina amin’ny tain-kafe ny loto manentsina ny fantsona

Azo ampiasaina amin’ny fanadiovana ny fantsona tsentsina sy mamoaka fofona ratsy ny tain-kafe. Araraka avy hatrany anatin’ny fantsona ny tain-kafe tsy ilaina intsony. Kikisan’izy io mora ireo loto miraikitra amin’ny fantsona ka ho afaka manarak’izany ny fofona ratsy avoakany. Manampy amin’ny fanalana ny tsentsina amin’ny fanasana lovia ihany koa moa izany. Avela hiasa ora maro avy eo rarahana rano mangotraka. Tsy azo atao matetika loatra kosa nefa ity torohevitra ity fa mety lasa hanentsina ny fantsona indray.

Lire la suite

Articles Similaires