• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mes Recettes Faciles
Image
DYI

Fikarakarana « Grog » : zava-pisotro natoraly manafana rehefa ririnina

21/05/2024 15:41 © Moov.Mg

Zava-pisotro malaza any ivelany any ary be mpankafy rehefa ririnina ny « grog ». Efa hatry ny ela no nisy izy io ary manampy betsaka amin’ny fiarovana ny vatana amin’ireo aretina mpiseho amin’ny andro mangatsiaka izy io. Ho resahantsika eto ary ireo zavatra ilaina sy ny dingana arahana raha hanamboatra « grog ».

Ireo zavatra ilaina raha hanao « grog »

-Rano 500 ml ;
-Tantely 2 sotrokely ;
-Voasary makirana 1 ;
-Kanelina tahony 1,
-Jirofo singany 3 ;
-Paoma 1 ;
-Sakamalaho 5g.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana ny « grog »

Ampangotrahana anaty vilany ny rano.
Sasana tsara ary voasana ny paoma. Avy eo silasilahana boribory tsy atao matevina be.
Sasana tsara ny sakamalaho, voasana ary tetehana atao manifinify.
Sasana ny voasary makirana ary potserina atao anaty kaopy ny ranony.
Rehefa manomboka mangotra ny rano dia arotsaka ao ny paoma, ny sakamalaho, ny kanelina ary ny jirofo.
Esorina ambony afo ilay vilany ary avela hipetraka mandritra ny 10 minitra.
Atao anaty kaopy hisotroana ny « grog » ny tantely sy ny ranona voasary makirana. Araraka ao manarak’izay ilay fangaro nokarakaina teo ambony ary saromana.
Sotroina mafana.

Lire la suite

Articles Similaires