• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Truc Mania Ouest France
Image
DYI

Fikafika tsotra sy natoraly fanadiovana ny firavaka volamena

17/05/2024 11:04 © Moov.Mg

Mila diovina matetika ny firavaka volamena mba hitazomana azy mangirana sy toy ny vaovao hatrany. Efa manana fitaovana manokana fanadiovana azy ireny moa ny mpanao firavaka mba hitandrovana azy tsy ho kiaka na ho simba. Ho an’ireo tsy afaka manantona mpanao firavaka ary dia ireto misy fomba tsotra sy natoraly fanadiovana ny firavaka volamena.

Diovina amin’ny karibonetra ny firavaka volamena

Akora iray mandaitra amin’ny fanadiovana fitaovana isan-karazany ao an-trano ny karibonetra. Mandaitra amin’ny fanadiovana ny firavaka volamena ihany koa izy io. Tsotra ny fomba fampiasana azy. Maka lamba madio nolemana rano. Andrarahana karibonetra kely eo ambonin’ilay lamba lena ary io no hikosehana ny firavaka volamena. Tsy kosehana mafy loatra fa atao somary elaela fotsiny. Rehefa vita izay dia kobanina ary hamainina amin’ny lamba malefaka.

Fafana amin’ny ati-mofo mba hiala ny loto

Mety tsy mampino ny maro ny hoe azo ampiasaina amin’ny fanadiovana firavaka volamena ny ati-mofo nefa dia tena mandaitra tokoa izany. Malefaka nefa dia tena manala ireo loto miraikitra amin’ny firavaka volamena tokoa izy io. Maka ati-mofo iray tsongo lebebe ary volavolaina lasa boribory izany. Io ati-mofo io no hikosehana ny firavaka volamena. Raha misy vato moa ilay firavaka dia azo diovina amin’io akora io ihany koa izy ireny. Hanaraka mora ireo loto ary hiverina lasa madio sy mangirana ny firavaka sy ny vatony.

Kosehina amin’ny lavenona sy voasary makirana

Fikafika natoraly mety efa faheno ny fampiasana lavenona sy voasary makirana hanadiovana ny firavaka volamena. Izany hoe afangaro ny lavenona sy ny ranona voasary makirana. Ny lavenona dia mikosoka amin’ny fomba malefaka ny firavaka volamena ary manala ireo loto miraikitra aminy. Ny voasary makirana kosa dia mampangirana ny volamena. Io fangaro io izany no hikosehana moramora ilay firavaka. Aorian’izay dia kobanina amin’ny rano madio ary fafana amin’ny lamba malefaka.

Lire la suite

Articles Similaires