• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Toutes Les Box
Image
DYI

Fanamboarana « coton démaquillant » azo sasana

28/12/2023 16:01 © Moov.Mg

Fitaovana efa tsy zoviana amin’ireo rehetra manao « démaquillage » rehefa alohan’ny hatory ny « coton démaquillant ». Marina fa efa misy ireo vokatra efa vonona ampiasaina na « cotons démaquillants jetables » azo jifaina eny amin’ny mpivarotra. Azo ato ihany koa nefa ny manamboatra azy ireny ao an-trano, araho ange e !

Ny antony hanamboarana « coton démaquillant » ao an-trano

Fitaovana iray ilaina isan’andro rehefa manadio tarehy amin’ny hariva na rehefa manao « démaquillage » ny « coton démaquillant ». Ireo vokatra efa vonona vidiana moa dia tsy azo averina ampiasaina intsony fa tonga dia ariana vao avy niasa indray mandeha. Mazava ho azy fa mandany vola kokoa ny mividy azy ireny ary mandoto ny tontolo iainana izy ireny rehefa mivadika fako.
Ny « coton démaquillant » amboarina ao an-trano dia azo sasana sy averina ampiasaina mandritra ny fotoana maharitra. Ankoatra izay dia tsy lafo ny akora ampiasaina ary tsotra ny fanamboarana azy ireny. Etsy andaniny dia miaro kokoa ny tontolo iainana izy ireny satria ela vao ariana sy mivadika ho fako. Mandaitra tsara ary tsy manimba hoditra ihany koa ny « coton démaquillant » vita ao an-trano.

Ireo zavatra ilaina raha hanamboatra « coton démaquillant » azo sasana

-Ravin-damba mitroka amandoana (tissu éponge) 1 ;
-Ravin-damba malefaka sy misy soratsoratra na sarisary (tissu imprimé) 1 ;
-Hety ;
-Pensilihazo ;
-Fitaovana fanjairana (fanjaitra sy kofehy na milina fanjairana).

Ireo dingana amin’ny fanaovana azy

Hetezana atao efa-joro maromaro amin’ny habeny ilaina ireo ravin-damba. Atao mitovy ny refin’ireo efa-joro hazo amin’ireo ravin-damba roa karazany.
Maka efa-joro 1 amin’ny ravin-damba karazany voalohany (tissu éponge) ary maka efa-joro 1 amin’ilay ravim-damba karazany faharoa (tissu imprimé). Atambatra atao ambony ambany izy ireo.
Zairina tanana na amin’ny milina fanjairana mba hikatona izy ireo. Tsara raha asiana 1 sm mihoatra ny sisiny avy mba tsy ho mora misokatra ny zaitra. Tapahana ny kofehy mihoatra. Atao torak’izay avokoa ireo ravin-damba efa-joro rehetra nohetezana.
Mora ampiasaina ary azo sasana tsara ity y « coton démaquillant » amboarina ao an-trano ity. Mila sasana kosa nefa izy ireny isaky ny avy ampiasaina, izay no antony anamboarana maromaro.

Lire la suite

Articles Similaires