• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Astuces De Grand-Mère
Image
DYI

Fanamboarana fandrika natoraly hamonoana lalitra

18/12/2023 16:34 © Moov.Mg

Fotoana mampirongatra ny lalitra izao andro mafana izao. Efa maro ireo poizina sy fandrika famonoana lalitra hita eny amin’ny mpivarotra eny. Ny ankamaroan’izy ireny dia mampiasa herinaratra na misy akora simika izay tsy tsara ho an’ny fahasalamana. Atoro eto ary ny fanamboarana fandrika natoraly famonoana lalitra azo amboarina ao an-trano.

Ireo zavatra ilaina raha hanao fandrika natoraly famonoana lalitra

-Tantely ranony 50 ml ;
-Siramamy 50 mg ;
-Rano 50 ml ;
-Vilany 1 ;
-« Papier cartonné » ;
-Tady (manify) ;
-Hety ;
-Gazety tsy miasa intsony.

Fomba fanamboarana azy

Arotsaka anaty vilany ny tantely, ny siramamy ary ny rano. Afanaina amin’ny afo malefaka. Aroharoina tsara ary esorina ambony afo rehefa mahazo fangaro marihitra. Avela mangatsitiaka ny fangaro.
Hetezana ilay « papier cartonné » mba ahazoana « bandes » maromaro amin’ny sakany 5 sm sy alavany 30 sm. Loahana ny eo amin’ny tampon’izy tsirairay avy ary atsofoka eo amin’izany ny tady.
Atsoboka ao anatin’ilay « sirop » ireo « bandes » tsirairay mba samy hiosotra tsara ilay fangaro. Ahantona eo ambonin’ny gazety tsy miasa intsony mandritra ny 30 minitra ireo « bandes » mba tsy hitsiaka amin’ny trano ilay fangaro.
Rehefa maina dia ahantona amin’ny toerana be lalitra ao an-trano. Manintona ny lalitra ilay fangaro mamy ka miraikitra eo ireo izay mihinana izany.

Lire la suite

Articles Similaires