• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Aroma'Tips
Image
DYI

Fanamboarana « crème hydratante » natoraly ao an-trano

14/12/2023 13:01 © Moov.Mg

Anisan’ireo vokatra ilaina amin’ny fikolokoloana ny hoditra ny « crème hydratante ». Mazava ho azy fa maro ireo vokatra vonona azo jifaina eny amin’ny mpivarotra sy ny farmasia eny. Ho an’ireo misafidy ny ampiasa « crème hydratante » natoraly kosa nefa dia azo atao tsara ny manamboatra izany ao an-trano. Araho eto ary ny fomba fanaovana izany.

Inona ny ilaina ny « crème hydratante » ?

Alohan’ny iresahana ny fomba fanamboarana « crème hydratante » dia tsara ny mampatsiahy ny ilaina izany. Ny « crème hydratante » no vokatra ahosotra isan’andro amin’ny hoditra mba hanomezana rano sy hanamandinana azy. Ilain’ny hoditra tokoa ity karazana « crème » ity hiarovana azy tsy ho makiana, vakivaky na koa ho mora mikentrona.
Mila safidiana arakaraky ny karazan’ny hoditra moa ny « crème hydratante » ampiasaina mba hisitrahana ireo vokatsoa azo avy amin’izany. Ho an’ireo manana hoditra « sensible » dia tsara kokoa ny mampiasa vokatra natoraly tsy mitapoka akora simika mety hahatonga « allergies » na hanimba ny hoditra. Izany indrindra ary no itondrana eto ny fomba iray izay mora atao hanamboarana « crème hydratante » natoraly.

Ireo akora ilaina raha hanamboatra « crème hydratante » natoraly

-« Beurre de karité » tapaky ny kaopy ;
-« Huile d’amande douce » fahefan’ny kaopy ;
-Diloilo coco tsy mitapoka fahefan’ny kaopy ;
-« Huiles essentielles » izay tiana 15 mitete.

Ny fomba fanamboarana azy

Afangaro anaty « bocal » lehibe mahazaka hafanana na vilany kely ny « beurre de karité », ny « huile d’amande douce », ny diloilo coco ary ny « huiles essentielles ». Ny « huiles essentielles » no manome hanitra ny « crème hydratante » amboarina eto. Azo tsy asiana raha tsy tiana tsy hisy fofona ilay fangaro.
Mampangotraka rano mafana anaty vilany lehibe kokoa ary atsoboka ao ilay « bocal » na ilay vilany kely nisy ireo fangaro. Izany hoe atao « bain-marie ». Aroharoina matetika mba tsy ho may.
Rehefa mitsonika tanteraka ny fangaro dia avela hangatsiaka. Avy eo ampidirina ao anaty vata fampangatsiahana mandritra ny adiny iray ora.
Aorian’izay dia potehina anaty « mixeur » mandritra ny minitra vitsy mba ahazoana fangaro malefaka sy fotsy tsara.
Araraka ao anaty fitoerana madio tsara ary mety misarona ny « crème hydratante » natoraly namboarina tao an-trano. Tsara raha tehirizina amin’ny toerana mangatsitsiaka sy tsy azon’ny taratry ny masoandro.

Lire la suite

Articles Similaires